Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe antitra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
antitra
Hampiditra ohabolana
61.
Mandray tsy raisina toy ny tsipolitra antitra
niryna
62.
antitra tsy miraharaha fiainana.miandradra any rafahafatesana ho aingana
orlando405
63.
antitra miakam_piakarana matavy misonenika, mahia misohika, fohy mandady, lava manjoko, ka na mitehi-kiho ary tsy zesta fa toha naina
orlando405
64.
Tsy afaka hianatra baiko intsony ny alika antitra
niryna
65.
Tanora tsy mi-bis tsy mi-bĂ , efa antitra vao mikapilakopĂ (mikopily kopy ah').
ilanto
66.
Mihena antoerana toa fen'antitra, lany ampitoerana toa volan'adala.
niryna
67.
Aza manao lahy antitra mahazo lamokan'atody akoho, ka tsy mitadi-jafy intsony.
niryna
68.
Tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka.
aivetinakely
69.
Aza manao tahaka ny tsipolitra ka antitra vao tia sangy.
aivetinakely
70.
Tsy naha-vazaha renivorona fa sendran'izay sifitra antitra
rtol
71.
Alraho ny torohevitry ny lahy antitra rehefa nahafoiny ny fahazaran-dratsiny.
niryna
72.
Tanora ratsy fiary antitra vao ratsy laoka
niryna
73.
Tanora ratsy fihary, ka antitra vao ratsy laoka.
aivetinakely
74.
Mihena an-toerana ohatran'ny fen'antitra
ikalamako
75.
Aza manao fahanteran'amboa ka antitra vao misary gaigy
raiders
76.
aza manao lahy antitra mahazo lamokan'atody akoho, ka tsy mitodi-jafy intsony
latina
77.
Lahy antitra manin-kavana: hitsinjo, tsy mahita; handeha, tsy afaka.
latina
78.
Lahy antitra manao tetik'asa, ka mosaren'ny hafetseny
latina
79.
Sahala amin'ny sahona: mipetraka, toa lahy antitra, mitsambikina, toa tovolahy
latina
80.
za-drano toa amalona antitra
latina
81.
Tsy misy hianterana toa bozaka: tanora sakafon'ny omby, antitra, sakafom-patana
latina
82.
Toy ny vero: tsara faniry fa ratsy antitra
latina
83.
Sifotra antitra aho, ka tsy maha-reny vorona anao
latina
84.
Tahaka ny antitra mitomany:maika loza miketrona manaratsy tena
latina
85.
Toy ny fanoto: antitra vao kely anarana
latina
86.
Akondro (voany) mahia latsaka an-doha sola, ny tanora indray no mamoafady ny antitra
latina
87.
Antitra kendam-bodiakoho ka omem-boninahitra indray vao mivadi-boamaso
ramix
88.
Manalasala tahaka ny manambady vaviantitra hitositosy toa renibe avela amin'izao anjara vadin'ny tena, ka ny loa-bary sisa no andrasana
hery
89.
antitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany
litakelinineny
90.
manao fahanterana alika ka antitra vao mihagaigy
litakelinineny
1
2
3
4
5
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0213