Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe havan
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
havan
Hampiditra ohabolana
61.
Tana-kavia sy havanana hono ka mamy ny atsy,tsy foy ny aroa...
ionosaoly
62.
Ny fihavanana ve? alavirina izy manantona, ankekezina izy mandositra
niryna
63.
Fiadanana tsy natolotra fa nokarohina, very hasina raha tsy nanajàna havana.
aivetinakely
64.
Ny fihavanana dia toy ny trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hialofana
niryna
65.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
niryna
66.
ataovy toy ny sira ny fitondrana havana, mahery tsy mahafola-nify, malemy misy hitelemana fa ny havana no lelafin-katelina
bobone
67.
Toy ny jiafotsy ny fihavanana: raha vao mikasokasoka, raha tonta misy romoromony
niryna
68.
Ny fihavanana hoatra ny landy, maty isika famonosana, velona itafiana ka ny madilana arahi-panondro.
niryna
69.
Tsy manan-kantenaina tahaka ny maty havana akaiky, Tsy manam-pitsetra tahaka ny maty olo-malala.
aivetinakely
70.
Volo ngita tsy mandray rano, fa volam-bita mahatsara fihavanana.
aivetinakely
71.
Anaram-potsiny tahaka ny fihavanam-bato
aivetinakely
72.
Aza manome toky tsy ho tanterahina fa mampihena ny fatoram-pihavanana.
aivetinakely
73.
Sanganehana tahaka ny saka hamangy jaboady, handroso sao voatora-bato, hiverina marary havana akaiky.
aivetinakely
74.
Izay tia voninahitra manary fihavanana, izay tia havana mahazo harena.
aivetinakely
75.
Aza atakalo vola ny fihavanana, fa ny havana ihany no mahatratra.
aivetinakely
76.
Malailaim-pihavanana va hianao ?
niryna
77.
Raha mihavana aminay, aza milela-tanana
niryna
78.
Ny hohavanina tsy misy, fa ny hiadina no betsaka
niryna
79.
Raha ho faty aho matesa rahavana! Raha ho faty rahavana matesa ny omby!
sylvoalias
80.
Az a atao fihavanan'alika ka taolana iray no isarahana
aivetinakely
81.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
sylvoalias
82.
Havako raha misy patsa, fa raha lany ny patsa havan-tetezina.
aivetinakely
83.
Ny varotra tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana.
aivetinakely
84.
Ny kary no be mpanakora, ny kisoa no be tondro molotra, fa ny olona tokony ho be fihavanana.
aivetinakely
85.
Aza ariana ny havana rehefa lasa ambony
aivetinakely
86.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
niryna
87.
Aza manao anay ho tsinotsinona fa ny havanay avy any Dilambato jerena
niryna
88.
Aza manao havako raha misy patsa, fa aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana.
niryna
89.
Vorombolo miaraka amin'ny akoho, miala fa tsy havanay
niryna
90.
Aza atao misomidika ambony toa menaka ny fihavanana fa ataovy latsaka anaty toa tsoka.
aivetinakely
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0177