Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe havan
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
havan
Hampiditra ohabolana
181.
Ny ory tsy havan'ny manana
vale
182.
Varotra tsy raikitra tsy atao haharatsy fihavanana
vale
183.
Ny ahiahy tsy ihavanana
vale
184.
Tanan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary
vale
185.
Izay mahavangivangy tian-kavana; ny malemy fanahy tratra am-parany
Fanja1
186.
Aza manao fihavanam-bato ka tapaka tsy azo atohy intsony.
jentilisa
187.
Aza ny havana no asian-dratsy, fa tsy ho tratry ny hafa tsy akory.
lanto
188.
Aza mandalo tanĂ -misy havana.
lanto
189.
Aza manao fihavanan'amboa ka taolana iray no isarahana.
lanto
190.
Aza manao fihavan-molotra : tezitra vao mifanantona.
lanto
191.
Ataovy fihavanam-bava sy tanana : raha marary ny tanana mitsoka ny vava, raha marary ny vava misafo ny tanana.
lanto
192.
Fitia mifamaly mahatsara ny fihavanana.
lanto
193.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
lanto
194.
Ny ahiahy tsy ihavanana.
lanto
195.
Izay mahavangivangy tian-kavana.
lanto
196.
Ny fihavanana toy ny raty: raha henjanina, tapaka; ary raha ketrahina miboraka
hery
197.
Aza manao fihavanan-karena, ka tomany handratra ny sasany
hery
198.
Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona, hatonina, manalavitra, halavirina manatona
hery
Voalohany
Mialoha
5
6
7
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0321