Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe lany
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
lany
Hampiditra ohabolana
61.
Toy ny harefo, ka marotsaka ivelany fa miefitra anaty.
soanja
62.
Andro ahamaizan'ny trano manao afo am-bilany kely , fa andavanandro, manao roborobo.
soanja
63.
Hodin-tsokatra ilatsahan-kavandra ka mikoriana any ivelany.
soanja
64.
Matin-delany toy ny samoina.
soanja
65.
Manao tahaka ny angely, ka milaza mbamin'ny elany.
soanja
66.
Hazondrano natao satroka, ka ahohoka, feno, atsilany, feno.
soanja
67.
Ondry lahim-benty, mahalany kolokolon-tsasanangy.
soanja
68.
Aza atao toy ny boka mangalam-pihinana, ka lany andro eo ampilalaovana sarom-bilany.
ainamitia
69.
Aza manao toy ny vilany, ny vody efa main'ny afo nefa ny hanina lanin'ny sasany
Ratianakel
70.
Lehilahy tia mampirafy, tsy hendry raha tsy lany harena.
aivetinakely
71.
aza manao amboa nidesina manitry! mahazo ny ilany
xavier206
72.
Ny fo miangoty, ny saina mandinika, samy manana ny filàny avy
aivetinakely
73.
Ny teny marina toy ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana
niryna
74.
kamboty tia toaka ; ny harena lany, ny tena tsy misy mananatra
bobone
75.
Ataovy fitia foza kely ka lany mbamin'ny korany.
aivetinakely
76.
Ny tambitamby efa lany, ny fitia efa nadiva ka na hifona aza tsy azo iverenana intsony.
aivetinakely
77.
Efa lany andro ny vady amboarina.
aivetinakely
78.
Efa lany rambo toy ny jono indray alina
niryna
79.
Aza manambady mamolava, fa rehefa lany ny hareny, hamidiny mbamin'anaka.
aivetinakely
80.
Izay diso matahotra lany hery, fa ny matoky tena very namana
aivetinakely
81.
Pirina kiboatà, ny loko màvana maro mpitia fa ny kibo be no tsy nahalany match.
aivetinakely
82.
Manaiki-droa lany tahaka ny dinta.
aivetinakely
83.
Mibanjina ny sokatra aho, tsy misy ny fandrosoany raha tsy mamoaka ny tenda ety ivelany izy
niryna
84.
Ny olombelona toy ny molo-bilany, ka iray mihodina ihany
niryna
85.
Mpikarajia tsy mahay azerty vola lany raha tadiavina tsy hita.
ZEMJOS
86.
Ataovy fitia tanam-poza ka lany mbamin'ny madinika indrindra.
aivetinakely
87.
Tsy lany hamamiana tahaka ny fary lava vàny.
aivetinakely
88.
Manalasala ny mifidy zaza kalmbana, ny ivelany itovizany ihany fa ny anatiny samy maka ho azy.
aivetinakely
89.
Tsy ny aty ivelany no hitarafana ny olona fa ny teny avoakany ao anatin'ny vavany
niryna
90.
Ela nanidinana andriam balala, ka tapaka ny elany.
kanto1
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0174