Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe lany
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
lany
Hampiditra ohabolana
91.
Aza manao tovolahy tia daka: ny andro hiainana mbola ho lava, fa tovon karena ho lany.
kanto1
92.
Manaiki-droa lany tahaka ny dinta, ka maty mora tsy ananan'olona antra.
aivetinakely
93.
Ny mahidy no lany be
aivetinakely
94.
Lany maina ohatran'ny sakafon-doholona
niryna
95.
Tsy mino vary lany raha tsy mahita ny faran-kady mangeroka.
aivetinakely
96.
Vaky vilany mian'efitra, sy maty olo-mazoto ka tapi-dalan-kaleha.
aivetinakely
97.
Izay tia tsy mihaino resaky ny any ivelany.
aivetinakely
98.
Ny ambilia tsy lany, ka ny any ambilany takarina
sylvoalias
99.
Ny vilany no vaky ny mpandoatra no nimonjomonjo
niryna
100.
Aza lany andro amin'ny amboa tsa ho vola fa ny saka valo ariary(ohb.betsileo)
sylvoalias
101.
Lany fika toy ny banga mitsako valala, haloa: moa ny raha matsiro, hatelina : matahotra sao kenda.
sylvoalias
102.
Tsara ivelany ohatran'ny tsihy
niryna
103.
Madio ivelany ohatran'ny fasam-bao
niryna
104.
Havako raha misy patsa, fa raha lany ny patsa havan-tetezina.
aivetinakely
105.
Aza lany andro eo am-pisangian-takotra toy ny boka mangala-pihinana, na ho variana mamahan-kary toy ny mpamosavy vao miana-draharaha.
aivetinakely
106.
Aza manao toy ny famantaranandron'ny gara ka hafa ny ivelany hafa ny anatiny.
aivetinakely
107.
Aza manambady noho ny volany, fa mora kokoa ny mihindrana raha izany
niryna
108.
Aza madio ivelany tahaka ny tsihy.
niryna
109.
Ny vilany no vaky, ny mpandoatra no mimonjimonjy
niryna
110.
Tsy misy afaka manompo tompo roa fa ny iray ho tiany ary ny iray ho halany
niryna
111.
atitra be vazivazy ka ambakain'ny lelany
orlando405
112.
Mitondra fiara lany lasantsy koa sahiranin'ny atao ihany.
ilanto
113.
Tia ady ka lany harena
niryna
114.
Tsy lany hamamiana toy ny fary
niryna
115.
Radio lany vato, mangina no sisa anjarany.
ilanto
116.
Fiara lany lasantsy, ka na te handroso aza tsy afaka intsony.
ilanto
117.
Ny fitiavana dia tsy lany hamamiana toy ny fary lava vany
niryna
118.
Mihena antoerana toa fen'antitra, lany ampitoerana toa volan'adala.
niryna
119.
Izay miambina ny vavany sy ny lelany dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana
niryna
120.
Boka mangala-pihinana ka lany andro teo am-pisangiana takotra
rtol
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
6
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0239