Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe lany
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
lany
Hampiditra ohabolana
91.
Ny mahidy no lany be
aivetinakely
92.
Lany maina ohatran'ny sakafon-doholona
niryna
93.
Tsy mino vary lany raha tsy mahita ny faran-kady mangeroka.
aivetinakely
94.
Vaky vilany mian'efitra, sy maty olo-mazoto ka tapi-dalan-kaleha.
aivetinakely
95.
Izay tia tsy mihaino resaky ny any ivelany.
aivetinakely
96.
Ny ambilia tsy lany, ka ny any ambilany takarina
sylvoalias
97.
Ny vilany no vaky ny mpandoatra no nimonjomonjo
niryna
98.
Aza lany andro amin'ny amboa tsa ho vola fa ny saka valo ariary(ohb.betsileo)
sylvoalias
99.
Lany fika toy ny banga mitsako valala, haloa: moa ny raha matsiro, hatelina : matahotra sao kenda.
sylvoalias
100.
Tsara ivelany ohatran'ny tsihy
niryna
101.
Madio ivelany ohatran'ny fasam-bao
niryna
102.
Havako raha misy patsa, fa raha lany ny patsa havan-tetezina.
aivetinakely
103.
Aza lany andro eo am-pisangian-takotra toy ny boka mangala-pihinana, na ho variana mamahan-kary toy ny mpamosavy vao miana-draharaha.
aivetinakely
104.
Aza manao toy ny famantaranandron'ny gara ka hafa ny ivelany hafa ny anatiny.
aivetinakely
105.
Aza manambady noho ny volany, fa mora kokoa ny mihindrana raha izany
niryna
106.
Aza madio ivelany tahaka ny tsihy.
niryna
107.
Ny vilany no vaky, ny mpandoatra no mimonjimonjy
niryna
108.
Tsy misy afaka manompo tompo roa fa ny iray ho tiany ary ny iray ho halany
niryna
109.
atitra be vazivazy ka ambakain'ny lelany
orlando405
110.
Mitondra fiara lany lasantsy koa sahiranin'ny atao ihany.
ilanto
111.
Tia ady ka lany harena
niryna
112.
Tsy lany hamamiana toy ny fary
niryna
113.
Radio lany vato, mangina no sisa anjarany.
ilanto
114.
Fiara lany lasantsy, ka na te handroso aza tsy afaka intsony.
ilanto
115.
Ny fitiavana dia tsy lany hamamiana toy ny fary lava vany
niryna
116.
Mihena antoerana toa fen'antitra, lany ampitoerana toa volan'adala.
niryna
117.
Izay miambina ny vavany sy ny lelany dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana
niryna
118.
Boka mangala-pihinana ka lany andro teo am-pisangiana takotra
rtol
119.
Aleo vaky vilany mian'efitra toy izay maty olo-mazoto.
aivetinakely
120.
Ny any am-pon'ny vilany, tsy any am-pon'ny siny.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
6
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0381