Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe manam
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
manam
Hampiditra ohabolana
61.
Manambady be nify, atao ao aloha mitsiky ho an'ny hafa, atao aoriana ataorana hanaikitra.
fenotsiky
62.
Tovolahy manambady anti-bavy, tolomina toa Renibe avela anefa anjaran'ny tena
arson
63.
ny manambady ny masiaka, mitahiry varatra an-trano ary ny manabady ny kamo, mitahiry faty tsy maimbo
antsiry
64.
manalasala ohatryny manambady traky nify ato eo aloha atahorana hitsiky @hafa atao aoriana atahorana hanaikitra
dadou
65.
Manambady ny tsara tsiriritindry zalahy, manambady ny ratsy ihomehezandry zalahy
beloha
66.
Miteny tsy afa-tsiny toy ilay tovolahy manambady rafotsy be, itositosiana toa renibe, hilaozana nefa anjaran'ny tena, loa-bary sisa iononana, mihinana fa izay voky maharaka ny namany
ramix
67.
manambady traky nify, atao eo aloha toa mitsikitsiky amin'ny hafa.atao aoriana toa hanaikitra.
andhy
68.
Ny vady hono manam-pandehanana, fa nyhavana tsy azo ariana. # Ny vita-bady anefa tsy vitan-kavana
jo
69.
Anarantany no ao Ambohimanambola fa ny manana ihany no manana
mandrindra
70.
Manambady traky nify atao aloha mitsiky amin'olona, atao aoriana sao hanaikitra ny tena.
naritsimba
71.
manambady ny lava mitahiry tohatra an-trano, manambady ny fohy mitahiry tapak'aponga
Lalakely
72.
Tokam-po tahaka ny siny: tsy manampo afa-tsy rano.
jentilisa
73.
Ny manambady ny fohy mitahiry tapak'amponga
JMR
74.
Manalasala toy ny parasy am-pitombenana, avela mangidihidy, haorina manamaimbo tanana!
JMR
75.
Aza miavo-tsy feno toa tain-delo: mbola tsy feno ka efa manamorona
jentilisa
76.
Horirik'Ambohimanambola: aleo lo toy izay ho an-kavana
jentilisa
77.
Anaran-tany no Ambohimanambola fa ny manana ihany no manana
ftma
78.
Aza manao masoandro ririnina, manjombona andro hihaonana ; fa aleo masoandro be lohataona, ka tsy mba manam-pahasosorana
hery
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.199