Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe manan
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
manan
Hampiditra ohabolana
61.
Manandraharaha ny dokotra fa merika ny andro.
soanja
62.
Arosy tapak'elatra ka hitoetra manina an'Itasy, hanidina tsy manan'elatra.
soanja
63.
Fody lahy mena vary ka manandrana alohan'ny tompony.
soanja
64.
Mitendry valiha maty vady, ka mifaly amin'ny efa nafoy, sa manaitra ny mbola tsy manana?
soanja
65.
Vahiny tsy manan-tsisa ka isan'ny noana.
soanja
66.
Ny vitsika manana ny lavany, ny vorona manana ny akaniny ary ny olona manana ny tranony.
soanja
67.
Akondro kely avara-tanana, ka raha avo manan-tompo.
soanja
68.
Nato ny teny ka mamerna indroa manana ny antitra.
soanja
69.
Ondrilahy manantena tampon-kandrina.
soanja
70.
Ny tsiny tsy misy maso fa mahita, tsy manantandroka fa manoto, tsy manana nify fa manaikitra, an-koditra vao mahangoly
walte
71.
Ny fihavanana ve? alavirina izy manantona, ankekezina izy mandositra
niryna
72.
Vangavanga manan'endrika, sadasada manan-tsoratra
niryna
73.
Varotr'ombin'ny mananontena ka raikitra vao tora-kovitra.!
sylvoalias
74.
Vola natao fandofosana ka manana anarana hafakely isam-poko.
aivetinakely
75.
Mangina manan-draha manahirana tahaka ny moana tia.
aivetinakely
76.
Ny fo miangoty, ny saina mandinika, samy manana ny filàny avy
aivetinakely
77.
Vitsika tsara trano, malaina mivoaka nefa tsy manan-kanina.
aivetinakely
78.
kamboty tia toaka ; ny harena lany, ny tena tsy misy mananatra
bobone
79.
Aza mandrimandry manana aretina, fa fotory ny tena marina aminy.
aivetinakely
80.
Varotry ny mananon-tena, raikitra vao tera-kovitra.
aivetinakely
81.
Manan-kasina ny tanindrazana ka mahasify raha amidy.
aivetinakely
82.
Mpamitaka tahaka ny lehilahy te-hampirafy, milaza tsy manana kanefa efa folo anaka.
aivetinakely
83.
Ataovy toy ny vato andohampasana ka na kely aza manan-kasina.
aivetinakely
84.
Afovoan-drafozana sy vady, hiteny manan-tsiny, hananatra tsy masin-teny.
aivetinakely
85.
Na manankarena na mahantra dia mitovy ihany ny namorona azy
niryna
86.
Izay manolotra ny tava ho tratry ny masoandro dia efa manantena ho may
niryna
87.
Tsy mahazaka havam-bady, very voninahitra sady tsy manan-drariny.
aivetinakely
88.
Zazavavy navoaka an'entana ka mirehereha manan-kantenaina.
aivetinakely
89.
Tia manandrana ka nahita ny loza tsy takatry ny saina.
aivetinakely
90.
Hambompo manan-toerana fa ny zaza tsy azo ariana.
aivetinakely
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0178