Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe manan
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
manan
Hampiditra ohabolana
121.
Ny vola samy manana fa ny isany no tsy mitovy
niryna
122.
Izay mahakolokolo no manana ny soa
niryna
123.
Izay manangona amin'ny fararano no zanaka hendry
niryna
124.
Izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny
niryna
125.
Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka
niryna
126.
Tsy mangalatra manana adidy hoatra ny fangala-bola
niryna
127.
Aleo tsy manana toy izay hanan-dratsy
niryna
128.
Ny manantena ny tsy misy no sarotra fa ny mamoy mora foana
niryna
129.
Mora lavitra ny mandany no manangona
niryna
130.
Na manan-karena tahaka ny inona aza, tsy fanao ny manasa tongo-dronono, na manontsam-bava tantely.
aivetinakely
131.
Manan-joky afaka olan-teny, mana-jandry afaka olan'entana.
aivetinakely
132.
Raha tonga ny amalom-boasira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty.
aivetinakely
133.
Izay manan-tsira mahay mahandro
aivetinakely
134.
Masoandro be lohataona ka tsy manan-kasosorana amin'olona.
aivetinakely
135.
Ny manary vady tanora manome ny tsy manana
aivetinakely
136.
Ny manana omby manana hena, ny manan-tsira mahay mahandro, fa ny manana olon-kendry manana ny ho mpitondra firenena.
aivetinakely
137.
Ataovy vikin'alina ny fiainana, aleo manana amby toy izay tsy ampy.
aivetinakely
138.
Mandihy lava volokelika: mahay manantsiny, tsy mahay manantsiny.
niryna
139.
Mpandihy lava volon-kelika, mahay manan-tsiny tsy mahay manan-tsiny
galix
140.
Toy ny irai-tampo samy hafa ray, ka samy manana ny azy
latina
141.
toy ny momba: noana, tsy manan-kangatahana, voky tsy manan-kotolorana
latina
142.
aza lozabe manan'anaka sao tsy manan-dray ny zaza.
latina
143.
Mpitovo mananatra ny mpanambady, ka hendry tsy manan-ko an-tena.
latina
144.
Saro-po manan-tokana, ka tsy manan-droa hamolahana
latina
145.
Manandrifindrify ohatra ny tenin'adala
latina
146.
manana ny adala maha tezi-tarehy
latina
147.
Manan-tsira ka mahay mahandro
latina
148.
Manasa ny be kibo, ka ny vary no lany, mananatra ny adala, ka ny vava no vizana.
latina
149.
tsy mety raha manam-bady tsy miera, manan-dray tsy midinidinika
latina
150.
Be feo mananatra ka ny ala-trano no mahazo aloha
latina
Voalohany
Mialoha
3
4
5
6
7
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0181