Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe manan
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
manan
Hampiditra ohabolana
181.
aza tafandry manana aretina
jentilisa
182.
Aza manantena haren-drahalahy.
jentilisa
183.
aza manao fo vato fa manĂ na fo emboka
jentilisa
184.
Lehibe tratra mangala-pihinana ka hoe manandra-tsira!
jentilisa
185.
Ny manan-dray no anarina ka ny kamboty no mahazo aloha.
jentilisa
186.
Lalitra mitaingina omby, ny eritreritra betsaka fa ny hoenti-manana manify
JMR
187.
Ny manantena tsy misy no sarotra fa ny mamoy mora foana
JMR
188.
Araben'Antananarivo na malalaka aza manantompo
zanita
189.
Mitovy ny tsy manana sy ny tsy manaja
JMR
190.
Ny mamerina indroa manana ny antitra
JMR
191.
Miangolangola manan-drojo ! Zara raha misy hototoina
hery
192.
Izay mahay manana, manan-droa; fa raha tsy mahay manana, ny an-tanan-droa foana avokoa.
jentilisa
193.
raha mahay manan-droa fa raha tsy mahay votso-droa
jentilisa
194.
Manahy manana toy ny manana jiafotsy
jentilisa
195.
ny toko dimy samy manana ihany
jentilisa
196.
Noana tsy manan-kangatahina, voky tsy manan-kanolorana ny momba
jentilisa
197.
Manantena ny efa azo ka tsy mandray ravin-dena
jentilisa
198.
Zavarin'ny fitia manantombo ka intelo miarahaba ihany
jentilisa
199.
Manantena tsy maty toa an-dradranobe mifehy lavenona,
McFy
200.
Raha mahita ny asa vadi-drano, alao aho ray maro, fa raha tonga ny amalom-boa sira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty aho
hery
201.
Aza misompa-kava-manana
hery
202.
manantena ny halavany tahaka ny bibilava misambotra androngo
jentilisa
203.
angady ondry sy reniakoho, izay mananda no resy
jentilisa
204.
Mpitovo mananatra ny manana, hendry ka tsy manan-ko an'ny tena
jentilisa
205.
Manandrifindrify tahaka ny tenin'adala
jentilisa
206.
Ny ratsy fo tsy mba manan-kavana.
ftma
207.
Aza lozabe manana anaka, andrao tsy manan-dray ny zaza
McFy
208.
Tsikovoka sy fandiorano, volo no iraisana, fa ny fomba samy manana ny azy
McFy
209.
Ny teny toy ny atody, raha foy manan'elatra
hery
210.
Manan-joky afak'olan-teny, manan-jandry afak'olan'entana
vale
Voalohany
Mialoha
5
6
7
8
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0357