Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe miady
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
miady
Hampiditra ohabolana
61.
Tsy miady tsy miady, ny kibay akelika ihany
doum
62.
Izay tsy miady olom-bodo, izay to fo mamosavy.
jentilisa
63.
Atody miady amim-bato
JMR
64.
Aza miady amin'ny adala
JMR
65.
Raha ny mamba sy ny voay no miady, dia aoka hifandramatra; fa tsy salaka ho tapaka, ary tsy lamba ho rovitra.
jentilisa
66.
Tsy miady sahala, ka hiady, hisy resy
hery
67.
Aza manao vahaza mody miady
hery
68.
Hendry miady amin'ny adala, ka havizanana no hita
hery
69.
Mody tsy miady, tsy miady, nefa ny kibay an-kelika ihany
Vetso
70.
Izay tsy miady olom-bodo, fa izay to fo mpamosavy
JMR
71.
ny laona sy ny fanoto no miady ka ny vary ny mongo sy voaenda-damba
jentilisa
72.
izy mivady no miady, ka ny ankizy no voailakilaka sy voa tehamaina
jentilisa
73.
aza miady voanjo hadiana ka ny vodiny tapaka ny fakany tsy hita
ramuscle
74.
Mahita ny amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro
ftma
75.
Akoholahy miady am-pasika ka samy miaro ny masony tsy ho ditsoka
McFy
76.
Antitra miady kalo ka ny antitra antitra ihany
jentilisa
77.
Atody tsy miady amim-bato
vale
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8246