Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe saka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
saka
Hampiditra ohabolana
61.
Ilay nahandro vato: raha ny rony dia masaka
yveratsimb
62.
Tantely sy akondro, tafaray samy mamy, sakamalao sy sakay, tafaray samy mafana
yveratsimb
63.
Mpatsaka mahay mikabary, mahay ihany fa ambanin'ny siny
yveratsimb
64.
Afo mandoro, sady sakaiza no fahavalo
yveratsimb
65.
Latsaka anaty toy ny vavaky ny moana
DARInts
66.
Sendra masaka tokony hihinana Avy tsy asaina nasesiky ny razana.
niryna
67.
Toy ny sakay ao anaty tavoahangy ny fiainana,izay nohaninao anio no havoaka rahampitso.
niryna
68.
Ratsy tarehy be vody, mivalapatra vao higagana Voalavo sasatry ny miaina, saka matory no ala-bolombava
Gagagagagasy
69.
marary manetsa; mifidy na hantsaka na haka kitay.
itaramasoandro
70.
tsy misy mateza milevina hoatra ny voalavo, fa raha mitranga izy dia hanin'ny saka.
itaramasoandro
71.
Mpamosavy milevina amoron-dalana, matatesa valin-kitsaka
ravomahandry
72.
ny mpivady no tsy miresaka, very ny androatokom-pitiavana
mpikabary
73.
Aza manao toy ny voalavo sasatry ny miaina ka saka matory avy no alam-bolombava.
niryna
74.
lava nify latsaka amoron-tevana ambaraky ny efa ho faty mbola mitsiky ihany
andrianaly
75.
Fozaorana milelamolotra toa vodin'alika mahita sakay
josla
76.
Saka manidina no asiana sira
josla
77.
Saka mambàva no halam-bolo-tory
josla
78.
"Ny manta ambilany mila mpahandro, ny masaka an-tokonana mila mpandoatra, ny voaloatra an-dovia mila mpampandroso."
soanja
79.
ny sakafo ho an ny kibo ,fa ny aina an-dRanavalomanjaka
kiriah
80.
Akora latsaka an-drano: madigny Zanahary hamelona. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
81.
Sakafo AnKeragna: lany omban-drano. (Ohabolana BESTIMISARAKA)
soanja
82.
Lany aloha hoatra ny sakafon-doholana.
soanja
83.
Andevolahy maty vady; sikajy latsaka erany no azy, ka "lanio izay ho lany!"
soanja
84.
Ny andevolahy kapila voahitsaka, ny andevovavy vomanga an-kotrika.
soanja
85.
Aza mikapa sakaiza hoatra ny andevolahy homan-tain-jiro.
soanja
86.
Mandefitra manana ny rariny toy ny vahiny voa-hitsaka
kiriah
87.
Sakamalao sy havozo ka samy mitondra ny hanitra ho azy.
soanja
88.
Ny ovy haniry tsy voasakam-bato.
soanja
89.
Kapila voahitsaka, ka vaky vao mahataitra.
soanja
90.
Manao ho katsaka ka ladinim-bahy.
soanja
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0342