Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
akoho
Hampiditra ohabolana
61.
Sotro ranon'akoho izay kely azo no andrandraina.
hery
62.
Lainga marivo tototra ka hehezin'ny akoho tokan'anaka.
jentilisa
63.
Lasan-ko bikany toa akoholahy fahavaratra
jentilisa
64.
Mahery an-tanana toy ny akoholahy fataka
JMR
65.
ny akoho tsy foy tsy hita soritra
jentilisa
66.
Akondro mahia misy masaka, saro-dazaina aman-kavana.
ftma
67.
Hoy ny akoho mikotrika: nokobaniny tany am-poto-tsofiny lahy ny atodiko; nefa ny mikiakiaka mbola ho zaza, ary ny mikobana efa lamokany.
jentilisa
68.
raha avy ny loza, patsa iray tsy omby vava, tain'akoho mahatafintohina.
jentilisa
69.
ny olona no manitsa-bazimba ka ny akoho no ahanto-doha
jentilisa
70.
Akoholahy mikohokoho akohovavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana
jentilisa
71.
Aza mandidy alohan'Andriamanitra tahaka ny olona mampanotrika atodiakoho ka manao hoe ity kokolahy ity kokovavy.
jentilisa
72.
manao azy tsy ho tratry ny aloka ka tratry ny alok'akoho.
jentilisa
73.
Akohovavy maneno
jentilisa
74.
akohokely mifatotra mahazaka, mizaka ny tsy eran'ny aina
jentilisa
75.
Akoho mikotrika atodim-borona, ka miongo-bolo amin'ny tsy ho an'ny tena
hery
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1325