Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
akoho
Hampiditra ohabolana
61.
Mitsapatsapa vodin'akoho: raha tsy tay atody
roscarb
62.
Sotro ranon'akoho izay kely azo no andrandraina.
hery
63.
Lainga marivo tototra ka hehezin'ny akoho tokan'anaka.
jentilisa
64.
Lasan-ko bikany toa akoholahy fahavaratra
jentilisa
65.
Mahery an-tanana toy ny akoholahy fataka
JMR
66.
ny akoho tsy foy tsy hita soritra
jentilisa
67.
Akondro mahia misy masaka, saro-dazaina aman-kavana.
ftma
68.
Hoy ny akoho mikotrika: nokobaniny tany am-poto-tsofiny lahy ny atodiko; nefa ny mikiakiaka mbola ho zaza, ary ny mikobana efa lamokany.
jentilisa
69.
raha avy ny loza, patsa iray tsy omby vava, tain'akoho mahatafintohina.
jentilisa
70.
ny olona no manitsa-bazimba ka ny akoho no ahanto-doha
jentilisa
71.
Akoholahy mikohokoho akohovavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana
jentilisa
72.
Aza mandidy alohan'Andriamanitra tahaka ny olona mampanotrika atodiakoho ka manao hoe ity kokolahy ity kokovavy.
jentilisa
73.
manao azy tsy ho tratry ny aloka ka tratry ny alok'akoho.
jentilisa
74.
Akohovavy maneno
jentilisa
75.
akohokely mifatotra mahazaka, mizaka ny tsy eran'ny aina
jentilisa
76.
Akoho mikotrika atodim-borona, ka miongo-bolo amin'ny tsy ho an'ny tena
hery
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0125