Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
biby
Hampiditra ohabolana
61.
Androngo milanja lolo, ka lehibe am-pitondrana fa kely am-pihinana.
soanja
62.
Ny androngo no velona tapa-drambo.
soanja
63.
Androngo efa tazako, ka na hitsipelika aza tsy mahataitra ahy.
soanja
64.
Toy ny sahona ka mitoetra toa lahiantitra, mivikina toa tovolahy.
soanja
65.
Ondry bobo fanenjik'amboa.
soanja
66.
Sanganehana ohatra ny ondry sangian'alika.
soanja
67.
Ny ondry voatsipi-taolana, fa ny alika voatsipi-bilona, samy ao fa nifandiso.
soanja
68.
Nonon'ondry efa-doza, telo antambo, roa tsy miova fa fanao.
soanja
69.
Atoandro fitery ronono, ka ilaozan'ny omby mihahaka
Razatovo
70.
Tsy ambony tsy ambany, ohatran'ny loalik'alika.
kalarouge
71.
Sahobakaka mamangy rafozana ka ny mpamangy montotra ny vangiana montotra!
rtol
72.
Mifanety malalaka toy ny nifim-boalavo
latina
73.
vorondolo miaraka amin'akoho: mitaha fa tsy mba havanay
latina
74.
Tsiboboka sy toho: rano no iraisana, fa ny tarehy samy hafa
latina
75.
Tsikovoka sy fandiorano: volo no iraisana, fa ny fomba samy manana
latina
76.
Totozy sy voalavo: iray volo, fa tsy iray raharaha
latina
77.
Miandry ondry zato, miambina omby arivo, ka tsy ilaozan'izay mania.
latina
78.
Matoky ody voalavo va ianao no manao hena an-joron-damba?
latina
79.
Mitoto vary diavolana maka fanahy ny akoho
latina
80.
Papango amam-borona, iray toerana, fa samy hafa faniry
zouzou
81.
totozy sy voalavo : iray volo, fa tsy iray raharaha
zouzou
82.
Na fy aza ny amalona ny lela tsy atao jono.
hery
83.
Nanaonao foana ohatra an'Andriamanitra nanao voay
hery
84.
Miriorio foana toy ny angidina ka any ankady no hiafarana.
mandrindra
85.
Tsy mahalala biby afa tsy ny sahona
mandrindra
86.
Ny biby tsy manan-doha tsy mandeha
jentilisa
87.
Namono biby tsy nahafaty ka ifoteran'ny rambony.
jentilisa
88.
Raha mety ny atao, sahobakaka aza mampidi-dranon-ketsa
hery
89.
Aleo enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny eritreritra
vale
90.
Mirediredy ho lambolahy, fa rehefa mahita ampombo malemy, miketraka ho reni-kisoa.
hery
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118