Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
1111.
Toy ny hazo kely atsinanan'Angavo, ka indray mietry, indray misavoana.
soanja
1112.
Vilany borin'Amboatany: ariana tsy foy, avela manebaka ny trano.
soanja
1113.
Nahoana no atao terak'ombin'Ambohimahagaga, ka ny tsy mianaka no ampinonoina?
soanja
1114.
Ondrilahin'Ambohimangidy: hondrihondriny iraimbilanja; lava tandroka vao lasiventy.
soanja
1115.
Aza manao tsitsik'ombin'Ibetsileo; ny ombin'Ikoto an'Ikoto ihany, ary ny ombin'olona an'Ikoto ihany koa.
soanja
1116.
Sisi-hazon' Antanamalaza, mahitsy ihany fa tonotononana; sisi-hazon'Antananarivo, sady soa no arahim-bankona.
soanja
1117.
Ny lalana haleha rahateo, ny dia ho any Mahavika.
soanja
1118.
Ratsy tarehy handeha hilanona, ka maraina ihany no izy.
soanja
1119.
Toy ny sahondra ambony vato, ka endrik'izay itoerany.
soanja
1120.
Akanjon-goaika, ka vita fony kely.
soanja
1121.
Enti-maty toy ny tarehy.
soanja
1122.
Ny tarehy soa verin'ny hanina an-dany vazana.
soanja
1123.
Ny firavaka azo atentina, fa ny tarehy tsy azo atentina.
soanja
1124.
Mitafy lamba imason'ny tompony.
soanja
1125.
Misarebaka ny lamba indrana, ka nony tonga endahin'ny tompony.
soanja
1126.
Vorodamba atakalo mindrana, ka ny manana ny ratsy indray no manafatra.
soanja
1127.
Aza mandihy eo an-tampon'ny antambo.
soanja
1128.
Aza mirehitra amin'ny antsan'olona.
soanja
1129.
Toy ny dihy heverina, ka raha miampy kely dia raikitra.
soanja
1130.
"Fara-fahitana izao" hoy ilay voa bala amin'ny masony.
soanja
1131.
Voron-tsaporetika, papango didimaso, ka jereo aloha ny tena vao manenitra ny sasany.
soanja
1132.
Manana amby tsy ampy, hoatra ny sola vaohina.
soanja
1133.
Nahoana no maniry manitra hoatra ny boka anaty tapia?
soanja
1134.
Masombika manambady Hova: gny tragno, iraisana, fa gny zaka, samby hafa. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
1135.
Atodin-tetso: sady farany, lohany. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
1136.
Tsy mpandidy fa mpitana gny tendany. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
1137.
Tsy hotrogina karaha gny ara-my, ary tsy rangaina karaha gny ramihavogna, fa izagny manam-pagnahy na dia bitika aza dia ray aman-drenin'olona. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
1138.
Gny hafady marary tsy misy, ka gny halofo faty ka misy. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
1139.
Finoman-drano an-tagnana: tsy efan'ny indraika. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
1140.
Tsakitsakin-jaza: tompony indraika izarana. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
Voalohany
Mialoha
36
37
38
39
40
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0656