Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
1171.
Toy ny andevo tompoi-manompo.
soanja
1172.
Manambitamby lava, toy ny manana andevo tokana.
soanja
1173.
Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.
andrebabe
1174.
Ny loza toy ny alika,rehefa antsoina dia tonga
manip
1175.
ny tany tsy ho lavadavahana mbola hiverenana, aza mandrora mitsilany sao hahavoa tena, alaeo volana imaso toy izay volana ivoho, tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka, ny maherh tsy maody tsy ho ela velona
voniala
1176.
Adin-tsain-dRalahy tokana, ny vady tiana ny reny tsy foy
kiriah
1177.
Ny loza tsy mitoetra atao mbay lalana , ny fitahiana tsy mitsidika atao mandrosoa.
kiriah
1178.
Ny tsiny HADY lalina tsiriana maha-fanina, ianjerà na maha-faty
kiriah
1179.
Hady vomangan' i Kirijavola ka tonga dia ny vaomasony no potsirina
kiriah
1180.
Mandefitra manana ny rariny toy ny vahiny voa-hitsaka
kiriah
1181.
Donak afon' analakely ka tonga dia eny ambovonana
kiriah
1182.
maty kiambo tohin'ny olotra ozy ka eny ambon'ny tay no manao tsongolo batiba
meljah
1183.
Te-hoderain'ny amboa ka mikiky taolana tsy misy nofony.
soanja
1184.
Fihavanan'amboa ka ravan'ny taolana iray.
soanja
1185.
Lelafin-ko mandina tahaka ny trafony.
soanja
1186.
Trafo nasondrotry ny nofo.
soanja
1187.
Mananjara izay itobahan'ny rony fa ny ventiny mandeha an-danjany.
soanja
1188.
Banga mihinan-kitoza ka tsirony no ilaina kanefa ny ivy indray no raraka.
soanja
1189.
Atody fito fototra, tsy ilaozan'izay ho lamokany.
soanja
1190.
Akohovavy maneno, ka ny loza ho an'olona lazainy,fa ny angady hitomboka ny lohany tsy fantany.
soanja
1191.
Akohokely voahitsa-dreniny ka tsy hala fa tompom-pitia.
soanja
1192.
Vorontsiloza , fa loza ihany raha mahita tsaramaso eny am-paniriana.
soanja
1193.
Manandraharaha ny dokotra fa merika ny andro.
soanja
1194.
Rano natondraka eny an-damosin'ny gana.
soanja
1195.
Ganagana entina amin'ny tendany.
soanja
1196.
Ganagana mandro samy manao izay tiany.
soanja
1197.
Misovoka ohatry ny lohan-gisa.
soanja
1198.
Gisalahy lasa namana ka ny sisa mihiaka ihany.
soanja
1199.
Vivy nanitrika ka bongo mason'ny nahiny.
soanja
1200.
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho mavon-drazana.
soanja
Voalohany
Mialoha
38
39
40
41
42
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0357