Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe alala
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
alala
Hampiditra ohabolana
91.
Ny eritreritra dia tsara lavitra noho ny fahalalana.
niryna
92.
Mifanimpaka an-toerana toy ny valalan-karona
rtol
93.
Na ny valala aza hono tsy azo raha tsy andriana ilika.
aivetinakely
94.
Aza mifanipaka anatiny tahaka ny valala an-karona.
aivetinakely
95.
Kalalao matin-dronono, ka matin-draha tiana.
aivetinakely
96.
Sambo-balala main'andro, ny tsy azoko androany, hoazoko rahampitso.
aivetinakely
97.
Ny fandefasana eritreritra no zava-dehibe noho ny fahalalana
niryna
98.
Izay tsy mahalala na inona na inona no dso matoky tena fatratra
niryna
99.
Loza ho andRakalamomba fa misambo-balala ho an-janak'olona.
aivetinakely
100.
Manao fatim-balala ka maty mamikitra bozaka irery
aivetinakely
101.
Bevohoka tsy mahalala volana ka rehefa teraka izy babèna
aivetinakely
102.
Bevohoka tsy mahalala andro, ka raha teraka izy, babena.
latina
103.
Mahita loza Ikalamomba, fa misambo-balala ho anjanak'olona
latina
104.
Ikala momba tsy tian-dahy, ka maty vao Ramalala
latina
105.
Valala ela nanidinana folak'elatra: raha mahafoy ahy mba foiko
latina
106.
Asesiky ny fitia sy ny hanina azy, ka tsy mahalala masoandro ho faty
latina
107.
Tampotampohin'ny manam-bady Raketaka ka misambo-balala hariva
latina
108.
Tsy mahalala izay varavaran-kodiavina ohatra ny akoho amidy ao an-tsena
latina
109.
Ny valala misy rahate, ny mpilaza mahay koa
latina
110.
Ny akanga aza mahalala ny tsaratsarao, ka maika fa izaho olombelona
latina
111.
Teny atsipin'ny manam-panahy, raisin'ny mpahalala
latina
112.
Zana-balala tsy mahatratra ny lanitra
latina
113.
Mifanety malalaka toy ny nifim-boalavo
latina
114.
Ny ady volom-balala: ka izay tia azy ihany no ditsoka
latina
115.
Harabaina, tsy mahalala; tenenina, dia tezitra
latina
116.
aza asesiky ny fitia tanteraka, ka tsy mahalala ny ranonorana ho avy.
latina
117.
Hianareo no natao valala fiandry fasana, vorompotsy tsy mandao omby.
latina
118.
Ny valala tsy in-droa mandry am-bavahady
latina
119.
valalan'alika, ny tompony aza tsy tia
latina
120.
Valala iray ifanapahana
FRanaivo
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
6
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0269