Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hany
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hany
Hampiditra ohabolana
91.
Ao ihany ny takatra nihinana ny valala sy ny vano nitsaingoka ny sahona.
soanja
92.
Mampandihy zaza balagna: hafa gny mampandihy an'azy ka hafa gny zahany. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
93.
Masoandro ririnina tsy natao hanafana ivelany ihany fa any anaty.
soanja
94.
Tahaka ny hadi-voanjo ny fanompoana: ka tsy ny momba ny tahony ihany no atao an-karona, fa ny mipetraka amin'ny tany hohazan-tanana koa mba hamenoana ny harona.
soanja
95.
Tahaka ny jorery ny fanompoana, ka na dia tapaka aza ny tongony aman-tanany mbola mimenomenona ihany izy.
soanja
96.
Aza manao tsitsik'ombin'Ibetsileo; ny ombin'Ikoto an'Ikoto ihany, ary ny ombin'olona an'Ikoto ihany koa.
soanja
97.
Sisi-hazon' Antanamalaza, mahitsy ihany fa tonotononana; sisi-hazon'Antananarivo, sady soa no arahim-bankona.
soanja
98.
Ratsy tarehy handeha hilanona, ka maraina ihany no izy.
soanja
99.
Atodin-tetso: sady farany, lohany. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
100.
Akohovavy maneno, ka ny loza ho an'olona lazainy,fa ny angady hitomboka ny lohany tsy fantany.
soanja
101.
Vorontsiloza , fa loza ihany raha mahita tsaramaso eny am-paniriana.
soanja
102.
Gisalahy lasa namana ka ny sisa mihiaka ihany.
soanja
103.
Hady vomangan'ilay kamboty, ka heviny ihany ny lany manta.
soanja
104.
Banga mihinam-boatavo ka tsako tokana ihany.
soanja
105.
Fotsimbary an-karon-kerana, ka izay naleha, nipetrahany avokoa.
soanja
106.
Toy ny taretra ka ny farany ihany no alain-taranaka.
soanja
107.
Toy ny aviavy ka mangidy am-boalohany, fa mamy amin'ny farany.
soanja
108.
Tsindranolahy an-keniheny ka ny tama-miray ihany no miaraka.
soanja
109.
Ny dobo tsy hita no mahamanina, fa rehefa hita sahala ihany.
soanja
110.
Sorona afon'adala, ka ny eo aloha tsy levona, ny aoriana asesika ihany.
soanja
111.
Vovonana iadian'ny lohany.
soanja
112.
Fotaka ambaravarana ka samy manilika izay halehany.
soanja
113.
Vongan-tany nentin-driaka, teo ihany fa levona.
soanja
114.
Voninahitri ny rahona deraina ihany fa tsy mitoetra
kiriah
115.
Voalavo latsaka an-ketona, ka halavoana leo ihany fa ny akoralava no tsy laitra.
soanja
116.
Fandiorano, ka hisitritsitrika dia izy ihany, hisehoseho dia izy ihany.
soanja
117.
Lolokely an-tanin'andro. ka hivelabelatra dia izy ihany, hikombokombona dia izy ihany.
soanja
118.
Angavamena, ka samy mitsilo ny lalan-kalehany.
soanja
119.
Kapok'alikan'ny belanonana, ka voa ny lohany, voa ny tendany, voa ny kibony.
soanja
120.
"Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany, ary ravaky ny anti-panahy ny volo fotsy"
mpoon
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
6
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0183