Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hany
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hany
Hampiditra ohabolana
421.
tsy misy mangidy tahaka ny sakay fa rehefa teny ierana telina ihany
jentilisa
422.
Ikotokely milalao kary ka ny filalaovana ihany ny ahy fa ny kary an-dRafotsibe
Avahi
423.
Menatra ny efa nisaraka ka mitsanga-miankina ihany
McFy
424.
Antitra miady kalo ka ny antitra antitra ihany
jentilisa
425.
Ny mahihitra ihany no lany be
jentilisa
426.
Ny hendry mody voky fa ny adala manesika ihany
vale
427.
Be kibo mahihitra, ny an'olona ihany no tadiaviny hamenoana azy
ftma
428.
Anaran-tany no Ambohimanambola fa ny manana ihany no manana
ftma
429.
Ny lainga toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony
hanta77
430.
Andriamanitra tsy andrin'ny olona andriko ihany
Fanja1
431.
Tsy nisy nivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany; ny harena mila vintana ka raha tsy anjara, tsy tonga.
lanto
432.
Sorohitra mitaingina ambony antsoro, ka ny malemy ihany no tsindriany.
hery
433.
Ny olombelona ohatra ny ladim-boatavo, raha fotorana iray ihany.
lanto
434.
Ny olombelona toy ny molo-bilany ka iray mihodidina ihany
lanto
435.
Toto vary lena ka samy te-ho lohany
hery
436.
Toy ny mitari-drano ririnina : miala amin'izay nitoerany, fa tsy tonga amin'izay alehany
hery
437.
Ny olombelona toy ny embok'akondro, raha manondro ny lanitra, iray ihany, fa raha miondrika, samy manana ny lafiny.
hery
438.
Aza ny vato handrĂ tra ny loha ihany no sainina, fa mba hevero koa ny fasika handitsoka ny maso.
hery
Voalohany
Mialoha
13
14
15
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0181