Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hany
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hany
Hampiditra ohabolana
361.
Tsy miady tsy miady, ny kibay akelika ihany
doum
362.
Ny hendry mody voky fa ny adala manesika ihany
doum
363.
Akoho lahy fahavaratra ka rebarebany ihany
doum
364.
Manalasala toa lava nify mamangy fahoriana, atao eo aloha toa mananihany, atao any aoriana ohatry ny hanaikitra
Chuan
365.
Raofina ihany toy ny lainga, fa raha feno miraraka.
jentilisa
366.
Vary lena voatoto ka samy te-ho lohany
jentilisa
367.
ny fanompoana tahaka ny endim-boanjo: ny madinika ihany no may.
jentilisa
368.
Borizanon'Ivakiniadiana, ny tonga ihany no matin'entana.
jentilisa
369.
totohondry diavolana ka ny mazavaray ihany no voa
jentilisa
370.
ny zoky be toa ray ihany
jentilisa
371.
Ombalahy tanimanga, ny tompony ihany no mitrena
jentilisa
372.
rano am-pasika, tazani-tsy misy, tovozina ao ihany.
jentilisa
373.
Mpamosavy malemy ka ny an-trano ihany no asiana
JMR
374.
hazakazaka arahitosika ity ny fiainana ka izay voky ihany no lelafin'ny namany, fa rehefa kely ianao de toy ny rafotsibe kendan'ny vomanga ka any antenda no manitsy azy
palince
375.
Ny hendry ihany no anarina
JMR
376.
Aza manao toy ny vorontsiloza; mihambo tena fa izy ihany
McFy
377.
Aza manao toy ny zozoro, marotsaka ihany von-dohany
McFy
378.
Sola mangery diavolana, tsy fantatra izay lohany sy vodiny
JMR
379.
Te hanana ny lohany nefa matahotra ny masony
JMR
380.
Andevolahy mangery an-jezika ka izy ihany no hiloloha azy
nounoum
381.
Malagasy iray ihany.
jentilisa
382.
Raha foin’ ny vava, tsy misy raorao ; fa hany raoraon’ izany ny lainga
hery
383.
Aza manao kobaka am-bava sy volana an-tenda, hatreo no ho miakatra ihany
hery
384.
Vary lena voatoto : ka samy te-ho lohany
hery
385.
Kamboty mievina, ka afa-drofin-tenany ihany
hery
386.
Maro ihany ny hazo, fa ny fary no mamy
hery
387.
Ny kamo ihany no ho sasatra
hery
388.
Raha tezitra, toy ny andriana, fa raha mianina, olona ihany
hery
389.
Omena mody voky, kanefa mangala-pihinana ihany
hery
390.
toy ny tsindranolahy an-keniheny, ka ny tamana miray ihany no miray.
jentilisa
Voalohany
Mialoha
11
12
13
14
15
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0197