Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe añy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
añy
Hampiditra ohabolana
1201.
Toy ny mitari-drano ririnina : miala amin'izay nitoerany, fa tsy tonga amin'izay alehany
hery
1202.
Ny olombelona toy ny embok'akondro, raha manondro ny lanitra, iray ihany, fa raha miondrika, samy manana ny lafiny.
hery
1203.
Aza ny vato handràtra ny loha ihany no sainina, fa mba hevero koa ny fasika handitsoka ny maso.
hery
1204.
Aza manao toy ny voavahy : tsy mahajoro tena, fa mitomany hisarangotra ny sasany.
hery
1205.
Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana, ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendrany lohaliny.
hery
1206.
Ny olombelona voatr'ampangoro, ka mifandimby ambony sy ambany
eugene
Voalohany
Mialoha
39
40
41
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0401