Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe añy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
añy
Hampiditra ohabolana
1111.
Ny havana ihany no manavangavana
hery
1112.
Havan-tiana tsy mahalavi-tany
hery
1113.
Havako raha misy patsa, fa raha lany ny patsa havan-tetezina
hery
1114.
Mamy ny zanaka, fa raha manaikitra nono, akifika ihany
JMR
1115.
Ny tongasoa ihany no arahabain'ny olona
JMR
1116.
Molotra sy nify, izay malemy fanahy tratra am-parany
JMR
1117.
Aza atao fitia varavarana, tiana ihany ka atositosika
jentilisa
1118.
Aza manao toy ny masoandro any atsinanana, ny avo ihany no itaingenana fa manaova toy ny masoandro any andrefana, izay mivoha varavarana tsidihina avokoa.
jentilisa
1119.
manantena ny halavany tahaka ny bibilava misambotra androngo
jentilisa
1120.
ny fofony no anjarany tahaka ny banga nahandro hoditra.
jentilisa
1121.
aza miady voanjo hadiana ka ny vodiny tapaka ny fakany tsy hita
ramuscle
1122.
ny fo mifankatia no paradisan'tany
ramuscle
1123.
Jamba mifampitarika, any an-kady no iafarany
jentilisa
1124.
Aza mitomany randrana manendrika ny hafa
jentilisa
1125.
Donak'afon'Analakely: avy hatrany dia any am-bovonana
jentilisa
1126.
Miriorio foana ny angidina fa any an-kady ihany no iafarany.
jentilisa
1127.
misao-bady tanora ka manome zara ny sasany
jentilisa
1128.
papangolahy anaty katsaka izay mivoaka babany avokoa
jentilisa
1129.
tafasirin'adala, ny lasa ihany no averimberina
jentilisa
1130.
ny hendry mody voky, ny adala manesika ihany.
jentilisa
1131.
ny tapany ihany no mikobana
jentilisa
1132.
Vilany misarona ka toa misy hena ihany
jentilisa
1133.
Mifankatia tsy mifamarafara ka ady no iafarany
jentilisa
1134.
Lany hena alohan'ny olona ka ny nify no aolanolana
ftma
1135.
tsy maty vavany tahaka ny anjombona : mandraka ny efa babo ka mbola izy indray no avo feo
jentilisa
1136.
lasan-ko vavany toa haron-tabebaka
jentilisa
1137.
aleo mifanao sarotra hihavanana amin'ny ela toy izay mifanao mora hiadiana amin'ny farany
jentilisa
1138.
aza mandrora mitsilany ka hahavoa tena
jentilisa
1139.
Alahelo tsy ambara havana, zakan'ny tompony ihany
DIDIH
1140.
Akoho kely latsaka an-kady, hiantso, kely feo; hanidina, tapak'elatra; hitoetr ihany, manina an-dreniny
McFy
Voalohany
Mialoha
36
37
38
39
40
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0569