Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe añy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
añy
Hampiditra ohabolana
1111.
Teny zato, kabary arivo, fa iray ihany no marina
McFy
1112.
Rafotsy be mihinam-boangory tokana, tapahana poritra, hanina malady lany
McFy
1113.
Toy ny harefo, mahitsy ivelany fa miefitra an-kibony
McFy
1114.
Ambavany malefaka, am-pony tsy tia
McFy
1115.
Vivy manitrika ka bongo mason'ny nahiany
McFy
1116.
Aza dongidongy miendrika androngo, la mandany ny tsaramasom-bahoaka
McFy
1117.
Aza tomany homana toy ny akoho kely
McFy
1118.
Vary dimiventy namidy vozon-kena, kely ihany fa misavily any an-katony
McFy
1119.
Mody tsy miady, tsy miady, nefa ny kibay an-kelika ihany
Vetso
1120.
Avo fitoetra Andriamanitra fa ambany fijery
Vetso
1121.
molo-bilany ka iray mihodidina
kabarih
1122.
Ny teny ratsy fotaka am-baravarana, ka samy manilika ny eo anatrehany
hery
1123.
Aza manao kobaka am-bava, volana an-tenda ka hatreo no ho miakatra ihany
hery
1124.
Ny havana ihany no manavangavana
hery
1125.
Havan-tiana tsy mahalavi-tany
hery
1126.
Havako raha misy patsa, fa raha lany ny patsa havan-tetezina
hery
1127.
Mamy ny zanaka, fa raha manaikitra nono, akifika ihany
JMR
1128.
Ny tongasoa ihany no arahabain'ny olona
JMR
1129.
Molotra sy nify, izay malemy fanahy tratra am-parany
JMR
1130.
Aza atao fitia varavarana, tiana ihany ka atositosika
jentilisa
1131.
Aza manao toy ny masoandro any atsinanana, ny avo ihany no itaingenana fa manaova toy ny masoandro any andrefana, izay mivoha varavarana tsidihina avokoa.
jentilisa
1132.
manantena ny halavany tahaka ny bibilava misambotra androngo
jentilisa
1133.
ny fofony no anjarany tahaka ny banga nahandro hoditra.
jentilisa
1134.
aza miady voanjo hadiana ka ny vodiny tapaka ny fakany tsy hita
ramuscle
1135.
ny fo mifankatia no paradisan'tany
ramuscle
1136.
Jamba mifampitarika, any an-kady no iafarany
jentilisa
1137.
Aza mitomany randrana manendrika ny hafa
jentilisa
1138.
Donak'afon'Analakely: avy hatrany dia any am-bovonana
jentilisa
1139.
Miriorio foana ny angidina fa any an-kady ihany no iafarany.
jentilisa
1140.
misao-bady tanora ka manome zara ny sasany
jentilisa
Voalohany
Mialoha
36
37
38
39
40
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0992