Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe akô
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
akô
Hampiditra ohabolana
121.
Rajako manao palitao haitraitra fa tsy fandrosoana
milofo
122.
Aza manao takorobabon'akoho:ny iray fisiam-potsimbary,ary ny iray fisian'akotry.
niryna
123.
akoholahy mitelin-koto: raha mahay mitelina dia tohan’aina; raha tsy mahay mitelina, dia singotry ny lela.
itaramasoandro
124.
Kristianian alahady, alatsinainy mangalatra akoho.
mianjy
125.
Kristianina alahady, alatsinainy mangalatra akoho!
mianjy
126.
Kristianina alahady, alatsiainy mangalatra akoho!
mianjy
127.
Ataovy toy ny fanolotra atody ka atolotra mbamin'ny akorany
aivetinakely
128.
Matety mpihavy toy ny akohokely misotro rano
niryna
129.
Aza tomany homana toy ny akohokely
niryna
130.
Maty aho basin-janako.
Bita
131.
Ataovy toy ny lamban'akoho, ka faty no hisarahana
Bita
132.
sahala ,ny rajako na fa antitra aza tsy manadino tsambokina
19822709
133.
Sakorok'alika toa fivorian'ny fozaorana : ny tanana atao V, ny nify aloha toa sosona
josla
134.
orakoraka ny any saogna fa tsibobohika no tompony rano
andrebab
135.
Mofo akondro sy lelamolotra ka izay manina manantona
josla
136.
Raha mbola hisy koa ny farany dia tsy ho foana ny fanantenako
walte
137.
Maro ny vorona fa ny railovy no manga feo, maro ny teny fa ny teny gasy no tsy afako loatra.
soanja
138.
Tsy vorombazaha tsy enina akory aho, ka hitelim-bato madinika.
soanja
139.
Tsy satrim-parihy hitera-potaka, ao ihany raha manakobana.
soanja
140.
"Sitrany ahay vaza-mihetsika", hoy ilay lambo mitsako moka.
soanja
141.
Magnigny akô tono adrao tsy masaky!(Ohabolana Antemanambondro)
tomms
142.
Tiatia ny takona , ka diso ny avaratry ny fasana.
soanja
143.
Akora latsaka an-drano: madigny Zanahary hamelona. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
144.
Takognam-paty nilatsahan'antsangoa; tsy hita na atambon' gny maty sa lozan'gny velona
soanja
145.
Ny trebitrebiky gny rano ka regniko, fa gny aomby nihanagn'alina tsy hitako. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
146.
Soa ny rano, soa ny siny fa ny fitiavako androky ro tsa mba misy tsiny.
soanja
147.
Vorondolo miaraka amin'akoho: miala fa tsy havanay. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
148.
Fitiavako trandraka tsy hibabiako amboa. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
149.
Tetegna ambenan'akoma: raha bitika be raha miambina.
soanja
150.
Akondronay no mamoa, ka azonay anaranam-po.
soanja
Voalohany
Mialoha
3
4
5
6
7
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0372