Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe akô
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
akô
Hampiditra ohabolana
121.
Fitia lamban'akoho ka aina no fetra
yveratsimb
122.
Akoho tsy naneno ohatr'izay lanin'ny kary
yveratsimb
123.
Aza miteny hoe tsy vitako io ,manana finoana fa vitanao io
niryna
124.
Ny olombelona toy ny akondro,raha manondro ny lanitra iray ihany fa raha mihondrika, samy manana ny lafiny .
niryna
125.
Aza ny havana no asian-dratsy; fa tsy ho tratry ny hafa tsy akory.
niryna
126.
-Dedaka tonga rafozana, akoho iray no vonoina ka famaky no tadiavina
danbal
127.
Rajako manao palitao haitraitra fa tsy fandrosoana
milofo
128.
Aza manao takorobabon'akoho:ny iray fisiam-potsimbary,ary ny iray fisian'akotry.
niryna
129.
akoholahy mitelin-koto: raha mahay mitelina dia tohan’aina; raha tsy mahay mitelina, dia singotry ny lela.
itaramasoandro
130.
Kristianian alahady, alatsinainy mangalatra akoho.
mianjy
131.
Kristianina alahady, alatsinainy mangalatra akoho!
mianjy
132.
Kristianina alahady, alatsiainy mangalatra akoho!
mianjy
133.
Ataovy toy ny fanolotra atody ka atolotra mbamin'ny akorany
aivetinakely
134.
Matety mpihavy toy ny akohokely misotro rano
niryna
135.
Aza tomany homana toy ny akohokely
niryna
136.
Maty aho basin-janako.
Bita
137.
Ataovy toy ny lamban'akoho, ka faty no hisarahana
Bita
138.
sahala ,ny rajako na fa antitra aza tsy manadino tsambokina
19822709
139.
Sakorok'alika toa fivorian'ny fozaorana : ny tanana atao V, ny nify aloha toa sosona
josla
140.
orakoraka ny any saogna fa tsibobohika no tompony rano
andrebab
141.
Mofo akondro sy lelamolotra ka izay manina manantona
josla
142.
Raha mbola hisy koa ny farany dia tsy ho foana ny fanantenako
walte
143.
Maro ny vorona fa ny railovy no manga feo, maro ny teny fa ny teny gasy no tsy afako loatra.
soanja
144.
Tsy vorombazaha tsy enina akory aho, ka hitelim-bato madinika.
soanja
145.
Tsy satrim-parihy hitera-potaka, ao ihany raha manakobana.
soanja
146.
"Sitrany ahay vaza-mihetsika", hoy ilay lambo mitsako moka.
soanja
147.
Magnigny akô tono adrao tsy masaky!(Ohabolana Antemanambondro)
tomms
148.
Tiatia ny takona , ka diso ny avaratry ny fasana.
soanja
149.
Akora latsaka an-drano: madigny Zanahary hamelona. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
150.
Takognam-paty nilatsahan'antsangoa; tsy hita na atambon' gny maty sa lozan'gny velona
soanja
Voalohany
Mialoha
3
4
5
6
7
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0878