Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe vola
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
vola
Hampiditra ohabolana
151.
Ataovy toy ny ady vomanga ny kirija vola tonga de ny voamasony no potsirina
doum
152.
Ny vola fitady ny harena fiary
JMR
153.
totohondry diavolana ka ny mazavaray ihany no voa
jentilisa
154.
Diavolan-ko lava ny lalao mbola ho ela.
jentilisa
155.
Volamena latsaka am-bovoka, tsy avelan'ny soa tsy hihiratra
JMR
156.
Sola mangery diavolana, tsy fantatra izay lohany sy vodiny
JMR
157.
Andevolahy mampirafy, ka intelo mihosin'akondro
McFy
158.
Aza manao tanin'andron'adevolahy, ka ny kibo no atolotra andro
McFy
159.
Diavolan-kolava, ny lalao mbola ho ela
lotus
160.
Ny vola no maha-Rangahy
JMR
161.
ny arivolahy tsy maty indray andro
jentilisa
162.
Andevolahy mangery an-jezika ka izy ihany no hiloloha azy
nounoum
163.
adi-vomangan'Ikirijavola ka avy hatrany dia ny voa-masony no potsirina.
jentilisa
164.
Aza manao kobaka am-bava sy volana an-tenda, hatreo no ho miakatra ihany
hery
165.
Aza miovoka ambony toy ny ranovolan’i Tsiodiana
hery
166.
Tsy mahafoy vola hamidy takotra, ka manta vary
hery
167.
Ny vola toy ny vahiny : tonga anio, lasa rahampitso
hery
168.
Andevolahy namosavy tompo, nahazo hena indray manokona fa tapa-taona miongo-bolo ihany.
jentilisa
169.
Volamena latsaka am-bovoka, tsy avelan'ny hasiny tsy hamiratra
Vetso
170.
Aza manao kobaka am-bava, volana an-tenda ka hatreo no ho miakatra ihany
hery
171.
Ady vomangan'i Kirijavola ka tonga dia ny voamasony no potsirina (Ady voay ama-mamban'i Kirijavola ka avy dia ny voamasony no potsirina)
hery
172.
volana imaso tsy mba kilema
jentilisa
173.
Volamena latska am-bovoka, tsy avelan'ny soa tsy hihiratra
jentilisa
174.
Ny vola no maha rangahy
McFy
175.
Mpiandry omby volavita: tsy tompony fa mpamerin-doha.
ftma
176.
Vomanga an-kady; amidy vola tsy lafo, atakalo vary tsy foy
McFy
177.
Ny vola fitady, ny herim-po fanary
vale
178.
Ny vola no hozatry ny fiainana
chipie1
Voalohany
Mialoha
4
5
6
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.634