Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1891.
Raha olona iray no tsy tia dia mitotoa koba hatavy, fa raha ny be sy ny maro no mankahala dia misotroa tsingala ho faty.
soanja
1892.
Mihinan-dany roa toy ny dinta ka mampirafy raharaha.
soanja
1893.
Voky dia mkodia, ohatra ny kongona.
soanja
1894.
Parasy no mivelona amim-bahiny.
soanja
1895.
Volongita manafin-kao.
soanja
1896.
Tsy ny fangilohilon'ny voantay na ny fahavasoky ny voangory.
soanja
1897.
Ny fitiavam-boangory tsy anenjeham-boantay.
soanja
1898.
Lolokely an-tanin'andro. ka hivelabelatra dia izy ihany, hikombokombona dia izy ihany.
soanja
1899.
Matin-delany toy ny samoina.
soanja
1900.
Tsingaradona an-tanimena ka tsy matavy fa sesiky ny tsinainy.
soanja
1901.
Ambolo bitaka, ambolo matavy, zava-tsy hay tsy ibitabitahana.
soanja
1902.
Misambom-balala ho anjanak'olona.
soanja
1903.
Taitra tampoka toy ny nokakerin'ny fihitra.
soanja
1904.
Tefy tanimanga ka aleo tovonana toy izay anesorana.
soanja
1905.
Toy ny mpanefy, mikapo-dalitra ambony lovia ka mamoy sasanangy tsy satry.
soanja
1906.
Ny lohasaha fandrianny moka.
soanja
1907.
Manao tahaka ny angely, ka milaza mbamin'ny elany.
soanja
1908.
Very amin'ny adin'angely ny adin'ombalahy.
soanja
1909.
Hano, kaikero! tsakotsakoy, raha resin'io ialahy tetitetehiko, avalako rano, omeko ny amboa, fa raha mahery rahavako voahangy, ividianako lamba, babeko maraina, tantanako hariva! Ndrofy lahy e! - Ireto teny fampiadiana angely fahizay.
soanja
1910.
Fikitra mampiady ny angely.
soanja
1911.
Tsy miady ny angely raha tokam-pilana.
soanja
1912.
Tain'angely, ka samy mailika izay eo ambaravarany.
soanja
1913.
Angavamena, ka samy mitsilo ny lalan-kalehany.
soanja
1914.
Ny fandrotrarana no nandavo, ka ny tahalaka no haetry.
soanja
1915.
Ny fanambadiana tsy nafehy fa nafandrotra.
soanja
1916.
Toy ny tsevoka, ka vao teraka dia mitan-defona.
soanja
1917.
Tsy mba sompanga miantendro vero fa tsimbotry mandady amin'ny tany.
soanja
1918.
Ombalahy resy an'ady ka mifiaka ny atsoro maina.
soanja
1919.
Vary amin'anana ilaofan-tsakay, ka tiana hasiaka ny malaolao.
soanja
1920.
Anamamy no niraisana ka beroberoka no isarahana.
soanja
Voalohany
Mialoha
62
63
64
65
66
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0161