Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1861.
Ratsy tarehy maka vady ka ny anaran-dray no enti-mangataka
kiriah
1862.
Adala mandeha miantsena ka ny siramamin-jaza natoraka alika
kiriah
1863.
Fiarin amboa lahy antitra ka aleo lo toy izay ho ankavana
kiriah
1864.
DIDIMASON TSOKINA KA NY KELY ANANANA NO AVANDRAVANDRA
kiriah
1865.
Sarotiavina toy ny hao, loloavina ndray vao manaikitra
kiriah
1866.
Ra Malina aza mifehy hazo tokana
kiriah
1867.
milaza tsy tia nefa manaramaso
kiriah
1868.
Trafo-kena ome-mahery ka ambava homana am-po mieritra
kiriah
1869.
Ny TIA toy ny alika ,mbetika mivovo mbetika mileladelaka
kiriah
1870.
NY fitia toy ny aloka, enjehina mandao andosirana manaraka
kiriah
1871.
Faheresen-kisoa, miakandrefana.
soanja
1872.
adin-kisoa, ka vitam-potafota.
soanja
1873.
Adin-drenin-kisoa, ka vitan'anjonanjona.
soanja
1874.
Mamba reraka tsy mifidy harapaka.
soanja
1875.
Mpihaza vao sendra sora ka hoentina toa totozy, havela toa trandraka kely.
soanja
1876.
Sokina mita rano, ka tsy mahabe vava ny mamba.
soanja
1877.
Sokina mita rano, ka ny tsy mahay indray no mivonkina.
soanja
1878.
Ny lalana afaky ny voalavo afaky ny totozy, fa ny lalana afaky ny totozy tsy afaky ny voalavo.
soanja
1879.
Voalavo latsaka an-ketona, ka halavoana leo ihany fa ny akoralava no tsy laitra.
soanja
1880.
Bibilava ela niforetana, ka hitsotra ho hitan'ny olona.
soanja
1881.
Androngo milanja lolo, ka tsy ny hohanina fa ny hoderain'ny hafa.
soanja
1882.
Androngo milanja lolo, ka lehibe am-pitondrana fa kely am-pihinana.
soanja
1883.
Ny androngo no velona tapa-drambo.
soanja
1884.
Androngo efa tazako, ka na hitsipelika aza tsy mahataitra ahy.
soanja
1885.
Mandady ny trambo.
soanja
1886.
Hala manao trano, ka ny tsinay no fetra.
soanja
1887.
Toy ny sahona ka mitoetra toa lahiantitra, mivikina toa tovolahy.
soanja
1888.
Fandiorano, ka hisitritsitrika dia izy ihany, hisehoseho dia izy ihany.
soanja
1889.
Adin-tsikidindrano ka misaraka tsy misy maratra.
soanja
1890.
Tsikovo-dririnina, ka lalina fisaina, fa ho ritra ny rano.
soanja
Voalohany
Mialoha
61
62
63
64
65
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0159