Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1801.
Faladia naharon'ny lalana.
soanja
1802.
Tari-drano ririnina ka miainga amin'ny toerany fa tsy tonga amin'izay hilana azy.
soanja
1803.
Manao longoa mitoto-bozaka.
soanja
1804.
Mpaka haravola akaikin'ny tevana ka na dia lavo aza, mahazo fanampiny.
soanja
1805.
Kiady eny amoron'ny hantsana ka tsy hasarotana fa fitiavana.
soanja
1806.
Miharihary ohatra ny kary am-pamoloana.
soanja
1807.
akoho tia hady ka mankaloza ny kary.
soanja
1808.
Ny latsaka te hitovy, ny mitovy te hihoatra.
soanja
1809.
Ny any an-kady indray no manofa lamba.
soanja
1810.
Hady lalina ka jere-mahafanina, ianjera-mahafaty.
soanja
1811.
Ankoatra ny bonga toa hisy jiolahy, ambadiky ny avo toa hisy tafika.
soanja
1812.
Mampakatra feta tsy madity ka raha avy ny orana dia mihotsaka.
soanja
1813.
Fotaka ambaravarana ka samy manilika izay halehany.
soanja
1814.
Ankizy nilaozan-tsakaiza ka milalao vovoka irery.
soanja
1815.
Aleo kely maro asa toa bonga kely , toy izay lehibe tsy mihetsika ka lotoin'ny sorohitra toa bongabe.
soanja
1816.
Ny vato no mikodia mitady tany marina.
soanja
1817.
Mitatitra fasika ka manabe vava ny ony.
soanja
1818.
Tanimanga voaevotra ka miampy kely dia takotra
soanja
1819.
Rafotsibe lavo an-tambiazina, ka raha tafarina dia mitsipon-tsindretra.
soanja
1820.
Tsy ravoravo natentina fa tandra vadin-koditra.
soanja
1821.
Tanimena mirehitra ka tsy takona afenina.
soanja
1822.
Mamatan-tany foana toy ny havandra ririnina.
soanja
1823.
Manao maso voatoton-tany.
soanja
1824.
Aza manao tany avo avaratra.
soanja
1825.
Afa-draorao ohatra ny tany afa-dilatra.
soanja
1826.
Vongan-tany nentin-driaka, teo ihany fa levona.
soanja
1827.
Ny tany nohadiana tsy ary ho tonga an-karona avokoa.
soanja
1828.
Aleo maty toy izay menatra olona.
soanja
1829.
Tsy izay hosoran-tsakay no mangidy, na izay hosoran-tantely no mamy.
soanja
1830.
Ny tany ho ela amin'ny olona, ary ny olona ho ela amin'ny tany.
soanja
Voalohany
Mialoha
59
60
61
62
63
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0262