Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
1711.
Naka kitay tsy mirehitra, ka afaka adidy amin'ny fatana.
soanja
1712.
Tsy mahaleo ny tarehy ratsiko aza, dia tsy maintsy malahelo ny entan-kitaiko.
soanja
1713.
Andro ahamaizan'ny trano manao afo am-bilany kely , fa andavanandro, manao roborobo.
soanja
1714.
Fady mitondra fanilo antoandro fa mahabobo.
soanja
1715.
Manatsafa toy ny mpaka afo.
soanja
1716.
Otrik'afon'apombo ka tsy midonaka fa mivaivay.
soanja
1717.
Mpanompolahy latsaka avara-patana ka saro-miala.
soanja
1718.
Sodokan'ny atao mandrosoa ka miantsampy eny ambony kitay.
soanja
1719.
Varivary andrian'ny tafo.
soanja
1720.
Trano vaky vovonana ka mitondra teny mivoaka.
soanja
1721.
Vovonana iadian'ny lohany.
soanja
1722.
Fanoto miankina amin'ny andry.
soanja
1723.
Andry telo itoviana amin'olona.
soanja
1724.
Fara fihetsika ny hidin-trano.
soanja
1725.
Varavarana iva tatao, ka tsy idiran'ny mpianjonanjona.
soanja
1726.
Tola-miadidy sy varavarana miandraikitra.
soanja
1727.
Ny tokonana no tsy afaka, ka ny rindrina no hanihina.
soanja
1728.
Fady ny mipetraka an-tokonana fa mampitokona ny soa tokony hiditra sy ny ratsy tokony hivoaka.
soanja
1729.
Mpangalatra tsy azo, olo-marina.
soanja
1730.
Ny vitsika manana ny lavany, ny vorona manana ny akaniny ary ny olona manana ny tranony.
soanja
1731.
Taiza zaza be lelo, ka samy manindrahindra izay ananany.
soanja
1732.
Akondro kely avara-tanana, ka raha avo manan-tompo.
soanja
1733.
Faladia naharon'ny lalana.
soanja
1734.
Tari-drano ririnina ka miainga amin'ny toerany fa tsy tonga amin'izay hilana azy.
soanja
1735.
Manao longoa mitoto-bozaka.
soanja
1736.
Mpaka haravola akaikin'ny tevana ka na dia lavo aza, mahazo fanampiny.
soanja
1737.
Kiady eny amoron'ny hantsana ka tsy hasarotana fa fitiavana.
soanja
1738.
Miharihary ohatra ny kary am-pamoloana.
soanja
1739.
akoho tia hady ka mankaloza ny kary.
soanja
1740.
Ny latsaka te hitovy, ny mitovy te hihoatra.
soanja
First
Previous
56
57
58
59
60
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.016