Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1621.
Ny mpanompo voananana, ka aha kasihana poritra.
soanja
1622.
Ny andevolahy kapila voahitsaka, ny andevovavy vomanga an-kotrika.
soanja
1623.
Ny vitsy andevon'ny maro.
soanja
1624.
Aza manao lamban'andevo ka tsy harahana.
soanja
1625.
Aza miraikiraiky toy ny andevom-behivavy.
soanja
1626.
Aza mikapa sakaiza hoatra ny andevolahy homan-tain-jiro.
soanja
1627.
Aza manao toy ny andevolahy mahay valiha; asai-manao tsy mety, nony tsy irahina, manao.
soanja
1628.
Toy ny andevo tompoi-manompo.
soanja
1629.
Manambitamby lava, toy ny manana andevo tokana.
soanja
1630.
Andevolahy mampirafy, manita-draharaha.
soanja
1631.
Andevo tokana amin'andriana, raha tsy matin'iraka, maty voky.
soanja
1632.
Aleo ravim-bohoimanga tsy arahin-dromoromo,toy zay hanim-pitoloha arahin-datsa
andrebabe
1633.
Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.
andrebabe
1634.
Ny loza toy ny alika,rehefa antsoina dia tonga
manip
1635.
ny tany tsy ho lavadavahana mbola hiverenana, aza mandrora mitsilany sao hahavoa tena, alaeo volana imaso toy izay volana ivoho, tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka, ny maherh tsy maody tsy ho ela velona
voniala
1636.
Zaza tokana na-trano ka raha tsy maty voky maty iraka
kiriah
1637.
Tongo-bakivaky ka sady marary no maha-menatra
kiriah
1638.
Adin-tsain-dRalahy tokana, ny vady tiana ny reny tsy foy
kiriah
1639.
Ny loza tsy mitoetra atao mbay lalana , ny fitahiana tsy mitsidika atao mandrosoa.
kiriah
1640.
Ny tsiny HADY lalina tsiriana maha-fanina, ianjerà na maha-faty
kiriah
1641.
Hady vomangan' i Kirijavola ka tonga dia ny vaomasony no potsirina
kiriah
1642.
Sitraka enti-matory ho valiana raha matsiaro
kiriah
1643.
Basy atifi-kavana ka tsy afenina fa arangaranga
kiriah
1644.
Mandefitra manana ny rariny toy ny vahiny voa-hitsaka
kiriah
1645.
Donak afon' analakely ka tonga dia eny ambovonana
kiriah
1646.
maty kiambo tohin'ny olotra ozy ka eny ambon'ny tay no manao tsongolo batiba
meljah
1647.
Te-hoderain'ny amboa ka mikiky taolana tsy misy nofony.
soanja
1648.
Fihavanan'amboa ka ravan'ny taolana iray.
soanja
1649.
Taolan-kena mahia ka na dia tsy hena aza dia fofy.
soanja
1650.
Banga mihinan-trafon-kena ka lasa tsy antonontonona.
soanja
Voalohany
Mialoha
53
54
55
56
57
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.017