Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1621.
Vato atora-pody ka tsy ijerana vary miraraka.
soanja
1622.
Fody lahy ririnina ka mitovy volo amin'ny sorohitra.
soanja
1623.
Fody lahy mena vary ka manandrana alohan'ny tompony.
soanja
1624.
Kibobo voafandrika ka ny mandrimandry no ahazoana aina.
soanja
1625.
Na mahay manjohy aza ny kibobo, ny alika koa mahay manimbolo.
soanja
1626.
Tsy maneno alohan'ny fitatra.
soanja
1627.
Zana-tsorohitra amoron-dalana ka tsy nariako, tsy narian-dreniny.
soanja
1628.
Rafotsibe manenjin-tsintsina, ka izaho ety, izy eny, izaho ery, izy ety.
soanja
1629.
Tsintsina nahazo sompanga, ka ny kibo hasiana no tsy misy.
soanja
1630.
Tanana anaty filo ka ny any ivelany tsy tafiditra, ny ao anatiny tsy tafavoaka.
soanja
1631.
Mitango voan-draketa, ka iray no alaina dia indroa no voatsindrona.
soanja
1632.
Bararata anaty fasika ka totofana vao lava tsiry.
soanja
1633.
Fakam-bolontsangana aho mitaingina ny avo.
soanja
1634.
Raha mbola vao dia mitaingina bao, fa nony tamana taingenan'ny bao.
soanja
1635.
Mitsaha-pilana ohatra ny mpivaro-baliha maty vady.
soanja
1636.
Mitendry valiha maty vady, ka mifaly amin'ny efa nafoy, sa manaitra ny mbola tsy manana?
soanja
1637.
Tongobolo angaha aho ka ho tapenam-bava?
soanja
1638.
Ny anivona tsy mila antsetra, ny mpilotra tsy ilana tahony, fa izay mikendry no mahavoa.
soanja
1639.
Sakamalao sy havozo ka samy mitondra ny hanitra ho azy.
soanja
1640.
Ngorongoso odian-tamotamo, avelao hifanenjika fa samy mavo.
soanja
1641.
Mangahazo mangidy malemy, ka hanina amin'ny lemim-panahiny.
soanja
1642.
Vomanga an-tanty, ka samy maka izay tiany.
soanja
1643.
Toy ny vomanga, ka ny lehibe indray no hosoran-davenona.
soanja
1644.
Hady vomangan'ilay kamboty, ka heviny ihany ny lany manta.
soanja
1645.
Ny ovy haniry tsy voasakam-bato.
soanja
1646.
Izaho angaha no nahandro ny tsaramaso no ikentronketronana?
soanja
1647.
Voatavo tsy mety ho zinga ka vakiana vao toham-baliha.
soanja
1648.
Kapila voahitsaka, ka vaky vao mahataitra.
soanja
1649.
Ny voatavon-tsira tsy enti-miantsena.
soanja
1650.
Siny voatavo ka samy mibobobobo amin'izay ananany.
soanja
Voalohany
Mialoha
53
54
55
56
57
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1049