Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1591.
Vorontsiloza , fa loza ihany raha mahita tsaramaso eny am-paniriana.
soanja
1592.
Vorona tokana anosy ka miherikerika irery.
soanja
1593.
Vorompotsy tsy mandao omby.
soanja
1594.
Manandraharaha ny dokotra fa merika ny andro.
soanja
1595.
Rano natondraka eny an-damosin'ny gana.
soanja
1596.
Ganagana entina amin'ny tendany.
soanja
1597.
Ganagana mandro samy manao izay tiany.
soanja
1598.
Misovoka ohatry ny lohan-gisa.
soanja
1599.
Gisalahy lasa namana ka ny sisa mihiaka ihany.
soanja
1600.
Vivy nanitrika ka bongo mason'ny nahiny.
soanja
1601.
Arosy tapak'elatra ka hitoetra manina an'Itasy, hanidina tsy manan'elatra.
soanja
1602.
Akanga mitsindroka am-batolampy ka voky vao fanimpanina.
soanja
1603.
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho mavon-drazana.
soanja
1604.
Ny akanga maro tsy vakin'amboa.
soanja
1605.
Mipaoka imason'ny tompony toy ny voromahery.
soanja
1606.
Akohokely lasam-papango ka misidina ambony vao tra-pahoriana.
soanja
1607.
Tsy mifoha alohan'ny goaika.
soanja
1608.
Fambara loza ny goaika tokana eny alohan'ny lalana izorana.
soanja
1609.
Goaika maneno am-panidinana, ka mampidera feo eny an-danitra.
soanja
1610.
Goaika tsy atoro tanim-boanjo.
soanja
1611.
Fihavanan-takatra ka ory miara-mitokiky, faly miara-mitokaka.
soanja
1612.
Vorondolo miseho andro ka ny tararaka aza manenjika.
soanja
1613.
Rafotsibe mataho-tararaka ka ianao hariva eo, izaho alina eto.
soanja
1614.
Mandihiza rahitsikitsika hianaranay amin'ny fararano.
soanja
1615.
Tatabava, milaza taon-tsy hisitrahana toy ny kankafotra.
soanja
1616.
Voronombalahy ka ambony miray lanitra, ambany miray lavaka.
soanja
1617.
Velon-drivotra toa sidintsidina.
soanja
1618.
Voromanga milevim-belona.
soanja
1619.
Mandoka tena ohatra ny papelika.
soanja
1620.
Tsikirity momba fody, ka tsy tompon-dia fa mpanaraka.
soanja
Voalohany
Mialoha
52
53
54
55
56
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0971