Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1591.
Ragnalahy nitono voamaho: azon-tsaoka an-dragno. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
1592.
Ny teny toy ny zipo, ny mahafohy azy no mahatsara azy
Racute
1593.
Lavi-dingana hoatry ny andevolahy misikidy ho andriana.
soanja
1594.
Ny fanambadian'andevo tsy manam-pahefana toy ny hefakefan'omby.
soanja
1595.
Andevolahy mikalo hariva; tsy alahelo fa kibo tsy feno.
soanja
1596.
Hovalahy mamosavy andevolahy, ka misolo ny entan-kitainy.
soanja
1597.
Mihambo ray toa zaza-hova.
soanja
1598.
Zaza-hova tsy enin'arahaba, ka mahatsiaro ny asa natao.
soanja
1599.
Mangataka arahaba toa zaza-hova.
soanja
1600.
Hovalahy mibaby andriana, ka misolo ny entan'ny Manendy.
soanja
1601.
Ny anankiray natao hoe " andevo namidy", ny anankiray natao hoe " nifindra fihinanana", ary ny anankiray natao hoe " andevo tsy fiompy"; ary ny anankiray natao hoe " andevon-drazana"
soanja
1602.
Vaka-potsin'andevolahy, ka sady an-doha no an-tongotra.
soanja
1603.
Andevolahy feno kibo, minia tsy handositra, fa ny andevolahy noana, mitomany hamidy.
soanja
1604.
Tono lavi-tompo; ka tsy may, manta.
soanja
1605.
Mpanompon-dRatsimandresy, ka efa nasandratra vao nihareraka.
soanja
1606.
Andevolahy maty vady; sikajy latsaka erany no azy, ka "lanio izay ho lany!"
soanja
1607.
Andevolahy maty hariva, ka vovon'alika no anjara tafondrony.
soanja
1608.
Maina tsy azo diasana hoatra ny fia-parin'andevolahy.
soanja
1609.
Toy ny hanina omena andevo; tian-kano, tsy tian-kano.
soanja
1610.
Mba ataovy toy ny anana lahy, ka raha maniry, tsongoy.
soanja
1611.
Akondronay no mamoa, ka azonay anaranam-po.
soanja
1612.
Toy ny fanahin'andevo mandevona.
soanja
1613.
Tandroky ny andevovavy ny fisoitr'afo, sady mahay manavia no mahay manavanana.
soanja
1614.
Mimenomenona hoatra ny ampelam-barotra.
soanja
1615.
Tsy mahafoy kirobo hamidy gadra, ka very telo-polo.
soanja
1616.
Rahe hety ny atao, hazondrano tonga andevo.
soanja
1617.
Tsy atakalo , tsy amidy resy, toy ny andevon-drazana.
soanja
1618.
Miady amin'ny andevo ka fahavizanana no hita.
soanja
1619.
Andevolahy mianala; ka ny hazon'andriana tsy tonga, fa ny fanoto no lanjalanjaina.
soanja
1620.
Madio midina, toy ny andevo manasa lamban'Antananarivo.
soanja
Voalohany
Mialoha
52
53
54
55
56
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0292