Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
1531.
Mangataka arahaba toa zaza-hova.
soanja
1532.
Hovalahy mibaby andriana, ka misolo ny entan'ny Manendy.
soanja
1533.
Ny anankiray natao hoe " andevo namidy", ny anankiray natao hoe " nifindra fihinanana", ary ny anankiray natao hoe " andevo tsy fiompy"; ary ny anankiray natao hoe " andevon-drazana"
soanja
1534.
Vaka-potsin'andevolahy, ka sady an-doha no an-tongotra.
soanja
1535.
Andevolahy feno kibo, minia tsy handositra, fa ny andevolahy noana, mitomany hamidy.
soanja
1536.
Tono lavi-tompo; ka tsy may, manta.
soanja
1537.
Mpanompon-dRatsimandresy, ka efa nasandratra vao nihareraka.
soanja
1538.
Andevolahy maty vady; sikajy latsaka erany no azy, ka "lanio izay ho lany!"
soanja
1539.
Andevolahy maty hariva, ka vovon'alika no anjara tafondrony.
soanja
1540.
Maina tsy azo diasana hoatra ny fia-parin'andevolahy.
soanja
1541.
Toy ny hanina omena andevo; tian-kano, tsy tian-kano.
soanja
1542.
Mba ataovy toy ny anana lahy, ka raha maniry, tsongoy.
soanja
1543.
Akondronay no mamoa, ka azonay anaranam-po.
soanja
1544.
Toy ny fanahin'andevo mandevona.
soanja
1545.
Tandroky ny andevovavy ny fisoitr'afo, sady mahay manavia no mahay manavanana.
soanja
1546.
Mimenomenona hoatra ny ampelam-barotra.
soanja
1547.
Tsy mahafoy kirobo hamidy gadra, ka very telo-polo.
soanja
1548.
Rahe hety ny atao, hazondrano tonga andevo.
soanja
1549.
Tsy atakalo , tsy amidy resy, toy ny andevon-drazana.
soanja
1550.
Miady amin'ny andevo ka fahavizanana no hita.
soanja
1551.
Andevolahy mianala; ka ny hazon'andriana tsy tonga, fa ny fanoto no lanjalanjaina.
soanja
1552.
Madio midina, toy ny andevo manasa lamban'Antananarivo.
soanja
1553.
Ny mpanompo voananana, ka aha kasihana poritra.
soanja
1554.
Ny andevolahy kapila voahitsaka, ny andevovavy vomanga an-kotrika.
soanja
1555.
Ny vitsy andevon'ny maro.
soanja
1556.
Aza manao lamban'andevo ka tsy harahana.
soanja
1557.
Aza miraikiraiky toy ny andevom-behivavy.
soanja
1558.
Aza mikapa sakaiza hoatra ny andevolahy homan-tain-jiro.
soanja
1559.
Aza manao toy ny andevolahy mahay valiha; asai-manao tsy mety, nony tsy irahina, manao.
soanja
1560.
Toy ny andevo tompoi-manompo.
soanja
First
Previous
50
51
52
53
54
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0262