Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1531.
Tapia tsy miakatra Imerina, amberivatry tsy midina Imamo.
soanja
1532.
Ondrilahin'Ambohimangidy: hondrihondriny iraimbilanja; lava tandroka vao lasiventy.
soanja
1533.
Ondrilahin'Ambohimangidy: tonga soa vao latsa-bidy.
soanja
1534.
Aza manao tsitsik'ombin'Ibetsileo; ny ombin'Ikoto an'Ikoto ihany, ary ny ombin'olona an'Ikoto ihany koa.
soanja
1535.
Benalika no niongo-kerana, ka Isamboranto no miempa-tanana.
soanja
1536.
Ho anao avokoa va Ibabay sy Lohavohitra?
soanja
1537.
Very Ivoara, ka tondraka Ivarahina.
soanja
1538.
Sisi-hazon' Antanamalaza, mahitsy ihany fa tonotononana; sisi-hazon'Antananarivo, sady soa no arahim-bankona.
soanja
1539.
Ny lalana haleha rahateo, ny dia ho any Mahavika.
soanja
1540.
Sikim-tsalaka mahay mandeha, sampin-kavanana mahay mihaingo.
soanja
1541.
Ratsy tarehy ambinin-doza, ka mirakaraka volo vao tsara.
soanja
1542.
Ratsy tarehy handeha hilanona, ka maraina ihany no izy.
soanja
1543.
Toy ny sahondra ambony vato, ka endrik'izay itoerany.
soanja
1544.
Akanjon-goaika, ka vita fony kely.
soanja
1545.
Enti-maty toy ny tarehy.
soanja
1546.
Tsara loha ka endrehin-drandrana.
soanja
1547.
Ny tarehy soa verin'ny hanina an-dany vazana.
soanja
1548.
Ny firavaka azo atentina, fa ny tarehy tsy azo atentina.
soanja
1549.
Mitafy lamba imason'ny tompony.
soanja
1550.
Misarebaka ny lamba indrana, ka nony tonga endahin'ny tompony.
soanja
1551.
Aza manao kary mindrana akanjo.
soanja
1552.
Vorodamba atakalo mindrana, ka ny manana ny ratsy indray no manafatra.
soanja
1553.
Aza mandihy eo an-tampon'ny antambo.
soanja
1554.
Aza mandihy am-piringa toa vorondolo.
soanja
1555.
Tsinjak'Izakasoa, ka samy mila ho azy.
soanja
1556.
Mandihy maina tsy enin'amponga
soanja
1557.
Salamanga mandihy irery, ilaozan-kitehaka, tsy hisy handihy; ilaozan-kandihy tsy hisy hitehaka.
soanja
1558.
Aza mirehitra amin'ny antsan'olona.
soanja
1559.
Toy ny dihy heverina, ka raha miampy kely dia raikitra.
soanja
1560.
"Fara-fahitana izao" hoy ilay voa bala amin'ny masony.
soanja
Voalohany
Mialoha
50
51
52
53
54
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0168