Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1501.
Beloha mandeha an'ady ka mitonon-tena amin'ny tsy antony.
soanja
1502.
Andriamanitra dia nanatsoboka ny olona ao anaty rano mba hidio fa tsy ho maty an-drano
niryna
1503.
Aza avela hanoroka anao ny adala ary aza manaiky anaraka ny adalany
niryna
1504.
Ny ho avy dia manome tahotra ireo izay mbola miaina amin'ny lasany
niryna
1505.
Maka miadana ny kamo ka ny fahantrana no miandry azy
niryna
1506.
Raha tsy manana fahendrena ny mpitondra dia hijaly ny firenena,fa raha ny mpanolon-tsaina kosa no tsara dia ho afaka ny tahotra
niryna
1507.
Masoandro ririnina tsy natao hanafana ivelany ihany fa any anaty.
soanja
1508.
Valavo velona, anjon-davagny.
soanja
1509.
Vorondolo miaraka amin'akoho: miala fa tsy havanay. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
1510.
Voay lahy tsy miara-lovoka. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
1511.
Aza magnagno havignira-masoandro. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
1512.
Tonga tsy tonga karaha aomby nakarin-jaza. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
1513.
Voronkotsy; miambin-draha tsy an-tegna. (Ohabona BETSIMISARAKA)
soanja
1514.
Antakay milagnona: tsy ilam-potsy maso. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
1515.
Vato navalavala voay: gny nivalavalana, tsy niboaka: gny navalavala tsy nivoaka.
soanja
1516.
" Raikitra tery izaho" hoy ilay voa bala tamin'ny feny, " fa afaka ho borozano aho raha tonga".
soanja
1517.
Lany aloha hoatra ny sakafon-doholana.
soanja
1518.
Raharahan'Imantasoa: ny miera mandoa venty; ny mandeha fotsiny maty loso.
soanja
1519.
Ny fanompoana folo elatra ahina: ahina mahavelona, tsy ahina mahafaty.
soanja
1520.
Ny fanompoana tahaka ny lanitra, ka samy miloloha ny tandrifiny.
soanja
1521.
Tahaka ny hadi-voanjo ny fanompoana: ka tsy ny momba ny tahony ihany no atao an-karona, fa ny mipetraka amin'ny tany hohazan-tanana koa mba hamenoana ny harona.
soanja
1522.
Ny fanompoana aza atao andran-drano: ka raha marivo hotsobohina, ary raha lalin-kihemorana.
soanja
1523.
Tahaka ny jorery ny fanompoana, ka na dia tapaka aza ny tongony aman-tanany mbola mimenomenona ihany izy.
soanja
1524.
Mihanton-kariva hoatra ny salakan'Amboatany.
soanja
1525.
Parasin'Ambohimanoa: ny vavy be loha,ary ny lahy kibotaina, ka samy mahalala ny anjarany.
soanja
1526.
Fandrian'Ivonizongo: ka ny mitsilany no malalaka noho ny mihoririna.
soanja
1527.
Toy ny hazo kely atsinanan'Angavo, ka indray mietry, indray misavoana.
soanja
1528.
Vilany borin'Amboatany: ariana tsy foy, avela manebaka ny trano.
soanja
1529.
Andriambavy Vonizongo: mitafy jabo ka manao fehin-tongotra.
soanja
1530.
Nahoana no atao terak'ombin'Ambohimahagaga, ka ny tsy mianaka no ampinonoina?
soanja
Voalohany
Mialoha
49
50
51
52
53
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0259