Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1681.
Tapia ka iray no hanina fa telo no aloa.
soanja
1682.
Toy ny voasary, mitan-defona zato nefa tsy maharo vady aman-janaka.
soanja
1683.
Akondro mahia misy masaka, ka saro-dazaina amin-kavana.
soanja
1684.
Mandraraka ilo mby an-doha.
soanja
1685.
Sahomborera ambony amontana, tsy fitadiavan-kanina fa rehareha.
soanja
1686.
Todian'ny ambora tsy nentina ka mivongika hazo tsy fantatra.
soanja
1687.
Ralehilahy tia harahara, ravehivavy tia vodin-tenona.
soanja
1688.
Ny hazo mirona tsy mba lavon-drivotra.
soanja
1689.
Hazo tokana an-kadilanana, ka tenain-drivotra irery.
soanja
1690.
Ny lambo an'ala, ny vahy an'ala, ka tsy mifanapaka na mifaningotra.
soanja
1691.
Ny hazo mahitsy, tsy hita tsy an'ala.
soanja
1692.
Ranom-potaka aza manonja ka mainka fa ranomasina.
soanja
1693.
Loharano niteraka ny ony.
soanja
1694.
Tsindranolahy an-keniheny ka ny tama-miray ihany no miaraka.
soanja
1695.
Tai-dava toy ny saobakaka am-body riana.
soanja
1696.
Saobakaka anaty kamory ka hitoetra toa ho faty , hifindra toerana toa tsy ho velona.
soanja
1697.
Ny dobo tsy hita no mahamanina, fa rehefa hita sahala ihany.
soanja
1698.
Tovovavy miady an-tanana ka tsy avelan'ny fantsakana tsy hiray.
soanja
1699.
Alika mitsaba-doharano ka tsy hetaheta fa hasomparana.
soanja
1700.
Zatra ankararana ka tsy vitan'ny an-tsiririka.
soanja
1701.
Roborobo no an'ny vahiny, fa ny tompon-trano no mandraoka ny lavenona.
soanja
1702.
Tsy ny sakafo any no maharaikitra ny dia , fa ny veloma atao.
soanja
1703.
Vahiny tsy manan-tsisa ka isan'ny noana.
soanja
1704.
Ranomaso teren'ny setroka.
soanja
1705.
Matoa misy setroka dia misy afo.
soanja
1706.
Sorona afon'adala, ka ny eo aloha tsy levona, ny aoriana asesika ihany.
soanja
1707.
Asisika ho may toy ny soitrafo.
soanja
1708.
Taitra ny olona tsy mba taitra ka taitra irery vao mamaky takotra.
soanja
1709.
Naka kitay tsy mirehitra, ka afaka adidy amin'ny fatana.
soanja
1710.
Tsy mahaleo ny tarehy ratsiko aza, dia tsy maintsy malahelo ny entan-kitaiko.
soanja
Voalohany
Mialoha
55
56
57
58
59
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1639