Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
1651.
Ny voatavon-tsira tsy enti-miantsena.
soanja
1652.
Siny voatavo ka samy mibobobobo amin'izay ananany.
soanja
1653.
Omeo voatavo mahamay aho fa hotsofiko.
soanja
1654.
Banga mihinam-boatavo ka tsako tokana ihany.
soanja
1655.
Fositra ve no tsy ambolem-boavahy.
soanja
1656.
Manao ho katsaka ka ladinim-bahy.
soanja
1657.
Katsaka an-tanimena ka ny baby kambana tsy misy, fa zara raha mahavelon-tena.
soanja
1658.
Tsy katsaka ka hiteraka tehezana.
soanja
1659.
Paraky nankaleo ahy , ka tsy avelako raha tsy fotsy angola.
soanja
1660.
Aza toy ny rongony, ka sady mpanaja no mpamoafady.
soanja
1661.
Vilona alain-takariva, na dia tsy malazon'ny andro aza, mantsasaky ny alina.
soanja
1662.
Tsy mba tsiriry vorona, ka manifi-drano dia lasa, fa tsiriry ahitra, ka lo eo an-tany aniriana.
soanja
1663.
Gisa marary ka tsy tia volontany.
soanja
1664.
Fotsimbary an-karon-kerana, ka izay naleha, nipetrahany avokoa.
soanja
1665.
Toy ny herana ka mitomany handratra ny hafa.
soanja
1666.
Sendra izay nikentronany, hoy ilay nangoron-tsihy.
soanja
1667.
Ny mitory hisatra aza misy manjilatra.
soanja
1668.
Zozoro anaty farihy, ka raha tsofin'ny rivotra miara-miraika.
soanja
1669.
Aza manao toy ny zozoro, miray toerana tsy mifandrandrana.
soanja
1670.
Langilangy zozoro, ka midoboka fa tsy maharary.
soanja
1671.
Sahombora mitaingina harefo, ka mifanindry samy malemy.
soanja
1672.
Toy ny harefo, ka marotsaka ivelany fa miefitra anaty.
soanja
1673.
Toy ny taretra ka ny farany ihany no alain-taranaka.
soanja
1674.
Teraka iray botry, teraka iray botry, i Faralahy no lava indrindra.... ny lahin-taretra.
soanja
1675.
Lamba rongony fahan-kafotra ka isalakana, manaiki-balahana; itafiana, asampina vao miporotsaka.
soanja
1676.
Mantsina vao tsara, toy ny rongony.
soanja
1677.
Mpaka rofia nahazo jiolahy ka vonona ny kofehy hamatorana.
soanja
1678.
Jiafotsy, ka vao tsy ialan-kasokasoka, raha tonta tsy ialan-dromoromo.
soanja
1679.
Fadin'ny tanora ny mamboly voara fa mahafolaka an-datony.
soanja
1680.
Toy ny voara ny fihavanana, ka raha verahina dia misy vitsika.
soanja
First
Previous
54
55
56
57
58
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0155