Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
2011.
Fa ny vita dia tantara ary ny tantara vita tsy famerina
ratoul
2012.
Ny hohavanina tsy misy, fa ny hiadina no betsaka
niryna
2013.
Tsy misy mafy toy ny raibe mijery ny zafikely hanarina
niryna
2014.
Toy ny manao soa vahiny ka raha voky izy :dia ilaozany mody.
niryna
2015.
Ny faharariany dia zakan'ny fanahin'ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany?
niryna
2016.
Aza manaiky be toy ny Tsaravoninahitra
niryna
2017.
Tsy mahaleo mora, hoatra ny mpantsaka
niryna
2018.
Izay zavatra ataonao ao anatin'ny maizina no ahalalana ny tena toetranao.
niryna
2019.
Ny tsihy no fola-mandefitra fa ny olona tsy fola-mandefitra
niryna
2020.
Aza atao toy ny vato tsindry ahazana, ka raha maloka ny andro atsipiny.
niryna
2021.
Ny tompon'alahelo leo ihany fa ny mpamendrofendro no betsaka
niryna
2022.
kely idiran'angano ohatry ny sage femme efa diplome vao mangarona
dadou
2023.
KELY MIAMBOZONA ADIDY OHATRY NY SALAKA KA MIZAKA NY TSY HERAN'NY AINA
dadou
2024.
Manan-jara ny eny Ilafy fa manana an'Ambohitrarahaba ho famantanana !
ontsy
2025.
Kely mandevim-be ka mizaka ny tsy eran'ny aina.
Rold
2026.
be nangy miray fandriana ka ny ambony indray no tery
dadou
2027.
Efa ho lava tahaka ny lakolosin'i Faravohitra !
ontsy
2028.
Aza manody ny voky atody
zazadel
2029.
Ny fahaizana mihoatra noho ny volafotsy ary ny fahalalana miohatra noho ny volamena
dziana
2030.
Tampotampohany sahala ny boka nahazo kapa ka eny am-pandriana avy no tsy hiala kiraro
Bazily
2031.
Ireo izay nahavita dian-tongotra lavitra dia nanomboka ny dingana indray mandeha aloha vao tonga tany
niryna
2032.
Ny zanaka toy ny tanan'akanjo:atsipy, eo an-damosina;asavily ao an-damosina ihany
niryna
2033.
Iray ihany aho ka tsy afaka manao ny zavatra rehetra, tsy manda anefa fa afaka manao izay vitako sy tratrako ihany koa
niryna
2034.
Lany maina ohatran'ny sakafon-doholona
niryna
2035.
Izay rehetra azon'ny tànanao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.
niryna
2036.
Maro no be fitetika fa vitsy no tonga amin'ny tanjona
niryna
2037.
Toy ny vazaha matim=basy ka matin-javatra nataony
niryna
2038.
Vavolombelon'ny mpiaasa ny bainga voavadika
niryna
2039.
Izay maniry ny hipetraka eny amin'ny masoandro dia efa tokony hiereritrirtra ny zava-mandoro azy sahady
niryna
2040.
Marain- tsy lasan-davitra hoatra ny akoho.
niryna
Voalohany
Mialoha
66
67
68
69
70
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.666