Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
2071.
Fatra-panoro hevitra ny fahavalo ka manjary mamaham-basy hitifirana ny tena.
aivetinakely
2072.
Ny iray Rasahy, ny iray Ramavany
niryna
2073.
Mangahazo mangidy malemy ka hanina amin'ny lemim-panahiny
niryna
2074.
Ny anatra tsy ao aloha hananatra fa ao aoriana andatsa, toy ny fanafody aorian'ny fahafatesana
niryna
2075.
Aleo miady toy izay mankany Ankaratra tsy misy olona
niryna
2076.
Aza mifonoka amban'ny maimbo
niryna
2077.
Aza mitangorina ohatran'ny voangory ritra
niryna
2078.
Aza afangaro ny ny lalao sy ny zava-bita
niryna
2079.
Izay miteny lango eo imason'ny vary, mitafy lamba eo imason'ny tompony.
aivetinakely
2080.
Mpandihy lava volohelika, mahay ihany fe misy tsininy.
aivetinakely
2081.
Atodin'androngo anaty fasika, raha tsy lenan'ny orana main'ny taninandro.
aivetinakely
2082.
Boka maimay hanam-bady, ka na ny tanana hanafosafo tsy misy.
aivetinakely
2083.
Teny Aina, izay manapa-teny manapak'aina.
aivetinakely
2084.
Ratsy tarehy mitaratra ka ny volo no aolankolana.
aivetinakely
2085.
Ny terehy no andRahiratra fa ny vintana andRatsitamoraina
aivetinakely
2086.
Aza manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina.
aivetinakely
2087.
Androngo nangataka ka ny mody no ady.
aivetinakely
2088.
Ny fiainana tahaka ny làla-malama ka izay miraingiraingy no potraka.
aivetinakely
2089.
Fahavaratra mangidy fa ny an-tsaha tsy tonga, ny an-tanàn-dany.
aivetinakely
2090.
Miharihary tahaka ny kary am-pamoloana.
aivetinakely
2091.
Ny vanja tsy manda afo, ny afo tsy manda kitay
niryna
2092.
Didimaso asiana ody, mahareta fa hihavian'ny soa
niryna
2093.
Aza mamono reny toa vary ratsy
niryna
2094.
Ny vavy Ranirina, ny lahy Ratsimisitoazy
niryna
2095.
Ny ondry voatsipy taolana, ny amboa voatsipy vilona, tao ihany fa nifanolana
niryna
2096.
Ny anarana no tsy raikitra, ny ao an-trano no manivaiva
niryna
2097.
Aza manao toto vomangan-dRangahy ka ny malemy ihany no velezina
niryna
2098.
Miharihary toy ny vay an-kandrina
niryna
2099.
MIharihary toy ny kary am-pamoloana
niryna
2100.
Ny fifaliana dia lalana andalovana fa tsy fiafarana
niryna
Voalohany
Mialoha
68
69
70
71
72
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0538