Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
yveratsimb
Hampiditra ohabolana
181.
Hazakazaka ambany farafara ka samy manala izay ho afany
yveratsimb
182.
Tain' angely ka samy manilika ny eo am-baravarany
yveratsimb
183.
Aza manao fikitra mampiady angely
yveratsimb
184.
Ny olombelona toy ny embok' akondro: raha manondro lanitra, iray ihany, fa raha miondrika, samy manana ny holafiny
yveratsimb
185.
Amboalahy miandry embok' akondro: andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena
yveratsimb
186.
Dridran' Ingilo: andrasan-ko sitrana vao manapa-kozatra
yveratsimb
187.
Tsara ny tantana, fa ny rafozana no tsy enina
yveratsimb
188.
Rafotsibe maty andro nandroana: sady tsy enina ny aty no tsy enina ny any Ambondrombe
yveratsimb
189.
Izay fatra-pandà ihany no manaiky
yveratsimb
190.
Izay fatra-piahiahy mpamosavy
yveratsimb
191.
Aza atao vato tsindry hahazana, karaha maloka ny andro atsipy
yveratsimb
192.
Ilay nahandro vato: raha ny rony dia masaka
yveratsimb
193.
Alahelon-dehilahy tsy maharitra hateloana
yveratsimb
194.
Halavoan-dehilahy: manongalika
yveratsimb
195.
Manary andro toy ny lehilahy mitsongo anana
yveratsimb
196.
Ny henamaso ombalahy
yveratsimb
197.
Kalon' antitra ka tany no farany
yveratsimb
198.
Ny mahia zokin' antitra
yveratsimb
199.
Ny zoto ahandroana, ny laina itonoana
yveratsimb
200.
Ny mandeha tsy zoto, ny mijanona tsy laina
yveratsimb
201.
Ilay kamo mivady: ny lahy tsy tia harahara, ny vavy tsy tia vody tenona
yveratsimb
202.
Nanao soa vahiny: voky izy dia nilaozany
yveratsimb
203.
Zatra ny antohojinga ka tsy velon' ny an-kararà na
yveratsimb
204.
Taolana ny nify ka mihomehy
yveratsimb
205.
Bitsibitsiky ny lava nify, ny lavitra indray no mandre aloha
yveratsimb
206.
Lany hena alohan' ny olona ka ny nify no aolanolana
yveratsimb
207.
Raha baka mahay manorirana ianao, izaho mba kirongo tsy misy hidirana
yveratsimb
208.
Varotry ny manano tena ka raikitra vao tora-kovitra
yveratsimb
209.
Aza manao vazaha fito an-trano
yveratsimb
210.
Amoron' ala tsy manan-trano be
yveratsimb
Voalohany
Mialoha
5
6
7
8
9
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0211