Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
yveratsimb
Hampiditra ohabolana
211.
Mitafa amin' ny mpanankarena ka raha tonga mitain-kidin-trano
yveratsimb
212.
Fatra-pifehy trano
yveratsimb
213.
Tsy misy misambo-balala ho an-janak' olona
yveratsimb
214.
Aza manirina olona tsy afaka aina
yveratsimb
215.
Vato am-balamparihy: raha tsy hitan' ny antsy raha fahavaratra, hitan' ny angady raha lohataona
yveratsimb
216.
Manan-jara ihany ny tsy miteny, fa ny miteny ihany no manana adidy
yveratsimb
217.
Aza mitoto vary an-trano fohy loha
yveratsimb
218.
Ny olona handrandrana no hanafenan-doha sola
yveratsimb
219.
Potsitra ny maso: adidin' ny loha; fotsy ny volo: adidin' ny loha; banga ny nify: adidin' ny loha
yveratsimb
220.
Ny tarehy an-dRahiratra fa ny vintana an-dRatsitamorainy
yveratsimb
221.
Tendrombohitra fandrian' ny zavona; lohasaha fandrian' ny moka; sakeli-drano fandrian' ny mamba; izaho, kely fandrian' ny saina
yveratsimb
222.
Tendrombohitra sy zavona: mihaona toa tsy hisaraka, misaraka toa tsy hihaona.
yveratsimb
223.
Mandrara homana ohatra ny goaika
yveratsimb
224.
Amboa homana ondry, ka ny fo no manefa
yveratsimb
225.
Akoholahy mikohokoho vavy; tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana
yveratsimb
226.
Varifitoventy mahatapaka ny vozon' akoho
yveratsimb
227.
Tsy hadalan' ny akoho no itoerany an-joro fa toeram-boazara
yveratsimb
228.
Akoholahy miady am-pasika : samy miaro ny masony tsy ho ditsika
yveratsimb
229.
Izay sahy maty no mifono lambamena
yveratsimb
230.
Ny mahay rano ihany no maty an-drano
yveratsimb
231.
Ny tsihy no fola-mandefitra, fa ny olona tsy fola-mandefitra
yveratsimb
232.
Ikala adala ambody tenona, sady tsy hitohy ny maito no tsy hanala kambana
yveratsimb
233.
Ny zaza mihanta amin-dray aman-dreny saro-miory
yveratsimb
234.
Zazavavy tsy endrehindamba sarika; tsy adidiko tsy adidin-drainy
yveratsimb
235.
Ny fitia sora-damba
yveratsimb
236.
Tantely afa-drakotra ka anjakan'ny bodo sy adala
yveratsimb
237.
Ny vary tsy ilaozan' akatatra, tanàna tsy ilaozan' adala
yveratsimb
238.
Tendrombohitra tsy ilaozan' ambiaty, tanàna maro tsy ilaozan' adala, kabary be tsy ilaozan-diso
yveratsimb
239.
Ady amin'adala, ny manam-panahy no mandefitra
yveratsimb
240.
Mangidy vao ny alahelo
yveratsimb
Voalohany
Mialoha
6
7
8
9
10
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0732