Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
2941.
manjai-tsarotro lohataona hialofana raha fahavaratra.
jentilisa
2942.
Mitaintain-dava toa sahobakaka am-body riana
JMR
2943.
Raha nahafaty ny fifosana efa be no lasan-ko-razana
JMR
2944.
Lalitra mitaingina omby, ny eritreritra betsaka fa ny hoenti-manana manify
JMR
2945.
Mahery an-tanana toy ny akoholahy fataka
JMR
2946.
Be elanelana hoatran'ny samy be kibo miara-mandihy
JMR
2947.
Manararaotra hoatran'ny olon-droa mandihy maty jiro
JMR
2948.
Vinantolahy tonga rafozana, akoho iray no ho vonoina ka antsy fito no ahetsiketsika
JMR
2949.
Ny fanambadiana toy ny lamban'akoho ka faty no isarahana
JMR
2950.
nantenain-kamitrana vao nampisara-bazana
jentilisa
2951.
miova sata miova andriana
jentilisa
2952.
mitombo an-dalana toa dian'andriana.
jentilisa
2953.
ny fanoron-dratsy no miverina ilalana
jentilisa
2954.
rano tamim-bato, be ampizahana fa tsy azo andraofana
jentilisa
2955.
Tsy misy manaha-bato aman-kazo fa manahaka ny olona nihaviany avy.
jentilisa
2956.
Aviavin'Imaroadabo, vao donina dia mirarak'ompana.
jentilisa
2957.
Fitia tany, velona irezarezana, maty itsilanesana
jentilisa
2958.
Ny tarehy ratsy tsy azo ovana fa ny toetra ratsy azo ovana
jentilisa
2959.
Fitia tokonana, tiana fa dikadikaina ( hitsakitsahina)
jentilisa
2960.
fitia savony, tiana fa avalana rano.
jentilisa
2961.
Ny alika mivovo tsy manaikitra
JMR
2962.
Sanatriavin'ny vava ladinin'ny lela
JMR
2963.
Basy atifi-kavana ka arangaranga
JMR
2964.
Ny manantena tsy misy no sarotra fa ny mamoy mora foana
JMR
2965.
Tsobo-dranon-dRamiangaly, raha marivo irobohana, raha lalina ihemorana.
jentilisa
2966.
Ny hazo no vanon-ko lakana ny tany naniriany no tsara.
jentilisa
2967.
Miantso an-dohariana, manao izay tsy ifandrenesana.
jentilisa
2968.
Mikopa-damba anaty zavona, manao izay tsy ifankahitana.
jentilisa
2969.
tantanana sy riandriana ka tsy matahotra izay hifandona.
jentilisa
2970.
Ela nitoratorahana ka nahavoa mason'angatra.
jentilisa
Voalohany
Mialoha
97
98
99
100
101
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0267