Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
2851.
Ny hisavorovoroan-kilatoana
doum
2852.
Anamamy niaraka ihany ka beroberoka vo mifanary
doum
2853.
Tana-kavia sy havanana ka izay tsy maharary manafosafo
doum
2854.
Ramaka nandalo ny tana-may
doum
2855.
FIkasana an'olombelona fa ny didy an'Andriamanitra
doum
2856.
Fanambadiana tsy raikitra tsy atao haharatsy fihavanana
doum
2857.
Lazao ahy ny namanao dia lazaiko anao ny toetranao
doum
2858.
Aleo tsongon'olon-tiana toy izay horo-pahavalo
doum
2859.
Tsy misy mamy toy ny zanaka fa raha manaiki-nono hahifika
doum
2860.
Mpirahalahy mianala, izaho tokiny, izy tokiko
doum
2861.
Aleo mandina toy ny laferana toy izay kimavoka toy ny lohalika
doum
2862.
Ao anatin'ny mangidy no misy ny mamy
doum
2863.
Raha zaza no tsy hilalao modia ho tanora, raha tanora no tsy handihy modia ho antitra raha antitra no tsy hampiady kalo, modia ho razana, raha razana no tsy hitahy mifoha hiady vomanga
doum
2864.
Ramaka nandalo ny tana-may
doum
2865.
Ny nenina tsy eo aloha hananatra fa ao aorina handatsa
doum
2866.
Tambatambazo ny mpamosavy hameloman'anaka
doum
2867.
Zoky be toa ray, zandry mahaleo mahalasana
JMR
2868.
Ny maniraka andriana mahabotrabotra
JMR
2869.
ny mandringa tsy omentehana hono mahatsiaro fahoriana mivadibadika tahaka ny lela may
estine
2870.
Aza mitarain-tana-miepaka
jentilisa
2871.
Takalom-patsa vidim-pihinanana
jentilisa
2872.
manalasala toy ny volom-bava: atao hoe volom-bava tsy eo amin'ny vava, atao hoe volo-tsaoka tsy fiteny
Lalakely
2873.
manambady ny lava mitahiry tohatra an-trano, manambady ny fohy mitahiry tapak'aponga
Lalakely
2874.
Manalasala toa lava nify mamangy fahoriana, atao eo aloha toa mananihany, atao any aoriana ohatry ny hanaikitra
Chuan
2875.
toy ny tsy hita de iray ny fiainana ka lozan'izay tia roa
palince
2876.
Gisa mihanan-ketsa, izy mangalatra indary no avo vava
JMR
2877.
Ny biby tsy manan-doha tsy mandeha
jentilisa
2878.
Manararaotra toy ny banga mihomehy alina
vale
2879.
Izay ela nihetezana hono lava volo
vale
2880.
Ambany maso tsy hita tahaka ny solomaso anaovana tadiavina.
jentilisa
Voalohany
Mialoha
94
95
96
97
98
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0386