Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
2761.
Aza manao kobaka am-bava, volagna atenda, ka hatreo no miakatra ihany.
jefra
2762.
Siramamy sy tantely, samy mamy fa anaran-tsamihafa!
jentilisa
2763.
Zazalahy mianala, ny hazon'Andriana adino fa ny fanoto no lanjalanjaina
jentilisa
2764.
Papango amam-borona, iray toerana, fa samy hafa faniry
zouzou
2765.
Ny hazo avo halan-drivotra, ary ny manankarena halan'olona
zouzou
2766.
manan-karena salasala, ka manao kitamby rongony
zouzou
2767.
Alika miandry embok'akondro, andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena
zouzou
2768.
Faly malahelo toy ny manantena handova
zouzou
2769.
ny tsinjaka maro mahay, fa ny dada sarotra hianarana
zouzou
2770.
Toy ny lamba : raha tezitra, isikinana ; raha mandry, irakofana ; raha mandeha, itafiana
zouzou
2771.
ny vola tsy mandry lalana toy ny rano : tonga anio, lasa rahampitso
zouzou
2772.
Aza manao toy ny boka manjono : mifamitaka samy malama
zouzou
2773.
Manalasala toa rafozan-doza : omena ny manta, tsy omby vilany, omena ny masaka, sisa tsy lany
zouzou
2774.
Raha vinanto tsara fifidy, tsy vinanto fa isan-janaka
zouzou
2775.
Mpikabary maloto nify, ny fiasana indray no tsy diovina
zouzou
2776.
Tsy mila hatotongana ny harona vao hatao hoe tsy misy.
ftma
2777.
Feom-boron'ala, samy manao izay hainy
ftma
2778.
Avy vinanto marani-pangady, avy rafozana vondrak'akoho.
ftma
2779.
Fotsy vary manafina akotry
ftma
2780.
Boka mangata-pitahina, Andriamanitra ivavahana indray no ambanana totohondry.
panjakely
2781.
Raha tsy mifanaja ho mpivady, aleo mifanaja ho mpianadahy
zouzou
2782.
Tsy mety raha ny havia no mody havanana
zouzou
2783.
Salaka sy ravim-pitombenana: an-tsaha tsy mifandao, an-trano tsy mifanary
rlj
2784.
Tsy misy masiaka toy ny sakay fa rehefa teny ierana lany ihany.
hery
2785.
Ny nantenaina tsy azo ny an-tanana votsotra.
hery
2786.
Valala eny an-danitra ka asiana sira
hery
2787.
Jerem-potsiny ohatry ny tany nahalavoana.
hery
2788.
Didi-maso asiam-panafody mahareta fa hanana ny soa.
hery
2789.
Manao vain-drahalahy tsy mba maharary.
hery
2790.
Nanaonao foana ohatra an'Andriamanitra nanao voay
hery
Voalohany
Mialoha
91
92
93
94
95
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0301