Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Boka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Boka
Hampiditra ohabolana
91.
tsapa-sokin-dRainiboka, ka ny azo ihany no avadibadika
latina
92.
boka mihalo-poza: mipaka ihany fa tsy mitondra
latina
93.
totohondrim-boka: efa vita rahateo, fa ny hanainga nosisa
latina
94.
Miadan-dratsy ohatra ny boka mitery omby
latina
95.
aza manao toy ny boka manjono, mifamitaka samy malama
latina
96.
Mitaiza ny boka, ka manabe ny tsy azo ho namana
latina
97.
boka mikavina; tsy haingo fa fitehirizan-karena
latina
98.
Mandainga ny rano, hoy ilay boka mizaha ny tandindony
latina
99.
boka very tsy misy araka
latina
100.
boka mihina-kitoza: ny fihinana no lavorary, fa ny fanalana kaka no ady mafana
latina
101.
boka mijinja vary, ka mamorovoro ny efa vita
latina
102.
tsy hita lavadavaka, ohatra ny boka misikidy rantsana
latina
103.
boka mitohy rofia, ka manasaritaka ny efa milamina
latina
104.
Boka tsy namosavian-kavana ohatry ny mananasy
latina
105.
Ny boka indray no mahantra: velona tsy iray trano, maty tsy iray fasana
latina
106.
Bokalahy lavo amin-karavola: ka kibo no enti-manarina
latina
107.
bokalahy lavo an-tany mena, ka tafarina vao mingoso anabavy
latina
108.
lambam-boka, ka izay sahy no mindrana
latina
109.
Ilay boka sy ny odiny: Ny tarehiko anie efa simba, fa ny hataonao no sisa
latina
110.
boka mivaron-tantely: ny zavatra amidy mamy ihany, fa ny tenan'ny mpivarotra no mampalohiloy
latina
111.
Tsiboboka sy toho: rano no iraisana, fa ny tarehy samy hafa
latina
112.
Manao ondry tsy harena, ka misorona ondry boka
latina
113.
boka mitoraka Alahamady, ka hitan'Andriamanitra ny tarehiny
latina
114.
Ingorofotsy mitono sahondra, ka bokan'ny nataony
latina
115.
mpamosavy namosavy boka, ka matin'ny olon-dratsy ny olon-tsy vanona.
latina
116.
Ny olombelona tsy fo vato, fa fo emboka
latina
117.
Boka managala-pary, ny fary tsy azo, ny tanana feno lay
latina
118.
manaketra-tena toy ny boka mijery fitaratra
nalaina
119.
Ny olombelona tsy fo vato fa fo emboka
tia
120.
Izay ela fiemboka may lamba
vats
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156