Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Manao
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Manao
Hampiditra ohabolana
91.
Manao ho katsaka ka ladinim-bahy.
soanja
92.
Aza manao toy ny zozoro, miray toerana tsy mifandrandrana.
soanja
93.
Andro ahamaizan'ny trano manao afo am-bilany kely , fa andavanandro, manao roborobo.
soanja
94.
Manao longoa mitoto-bozaka.
soanja
95.
Manao maso voatoton-tany.
soanja
96.
Aza manao tany avo avaratra.
soanja
97.
Tefitra, toy ny vitsika ka manao varavarana tandrifin'ny lanitra.
soanja
98.
Hala manao trano, ka ny tsinay no fetra.
soanja
99.
Manao tahaka ny angely, ka milaza mbamin'ny elany.
soanja
100.
Manao toy ny Bezanozano,ka ny vavy indray no feno lovia
niryna
101.
Aza manao loham-boto ka efa fantatra fa tsy omby mbola sisihana ihany.
kimbol
102.
Aza manao hajejojejoan'ilay Ikala vao miana-dahy ka mosoara iray ihany no hamelomana fera
kimbol
103.
Aza manao baby roa toa katsaka
niryna
104.
Aza manao fahateran'alika ka antitra vao mihagaigy!
farihy
105.
Aza manao toy ny vilany, ny vody efa main'ny afo nefa ny hanina lanin'ny sasany
Ratianakel
106.
Aza manao voalavo sasatry ny miaina ka saka matory no alam-bolom-bava
niryna
107.
Manao torin'akoho, atao am-pitsanganana ihany no sady mikimpy maso tokana.
aivetinakely
108.
Aza manao fanirin-drambon'omby, ny raviny indray no ambany.
aivetinakely
109.
Aza manao tahaka ny tsipolotra, antitra vao tia sangy.
aivetinakely
110.
aza manao amboa nidesina manitry! mahazo ny ilany
xavier206
111.
Manao zanaky ny mpisikidy ka tsy mba ho faty na ny zanaky ny mpanefy ka tsy ho may
niryna
112.
Zaza vonto anatra, manao mbay lalana an-tsena.
aivetinakely
113.
Manaova tahaka ny akondro, ny kely manotrona ny lehibe, ny lehibe manalokaloka ny kely.
aivetinakely
114.
Mandidy hena ambony fe, manao sorona ny saro-pady.
aivetinakely
115.
Tsy ampihova na inona na inona ny mipetraka fotsiny raha tsy manao hetsika
niryna
116.
Aza manao vono-moka
niryna
117.
Manao loham-balala ka misarika ny tainy.
aivetinakely
118.
Tapotapohan'ny Jerosalema ka manao lakoroa bozaka
Manatsiala
119.
Zatra ny lalan-dririnina ka manao hitsindalana fahavaratra.
aivetinakely
120.
Bingo manao mantso ka misalovana ny anjara toeran'ny sasany.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
6
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162