Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Mpaka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Mpaka
Hampiditra ohabolana
1.
Aza manao toy Ikala mpaka vadin' olona, mambabo ivelany fa devoly fanahy
Holiholy
2.
Manatsafa mahita toy ny mpaka afo
yveratsimb
3.
Mampaka-bady maika loatra, ny tarehy no voajery, ny fanahy natao sorona
aivetinakely
4.
Alaon'ny andro nampakarana anie aho: ny hena be, ny fitia nandroso; ka sady Ramatoa aho no Raivo.
soanja
5.
Mpaka rofia nahazo jiolahy ka vonona ny kofehy hamatorana.
soanja
6.
Manatsafa toy ny mpaka afo.
soanja
7.
Mpaka haravola akaikin'ny tevana ka na dia lavo aza, mahazo fanampiny.
soanja
8.
Mampakatra feta tsy madity ka raha avy ny orana dia mihotsaka.
soanja
9.
Za-dratsin'ny mangalatra, ka nony farany mifanena amin'ny mpaka kitay.
aivetinakely
10.
Ny tain'omby voavadika tsy misy mpaka no mariky ny fandriam-pahalemana.
aivetinakely
11.
Mpaka zaza tam-po maniry hanan'anaka, rehefa tena mitady tsy mahazo intsony.
ilanto
12.
Mpaka kofehy nahazo mpangalatra, vonona amin'ny kofehy hamatorana azy.
niryna
13.
Mifanimpaka an-toerana toy ny valalan-karona
rtol
14.
Mpaka rofia nahazo mpangalatra, vonona ny kofehy hamatorana
latina
15.
mampakatra feta tsy madity, avy ny orana dia akipany
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0873