Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Nato
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Nato
Hampiditra ohabolana
1.
Ratsy tarehy manam-bintana ka ny soa no manatona ho vady.
ndrina56Oha
2.
Ny akoho no tsy manatody in-droa ao anatin' ny iray andro dia ny fitsinjovana ny ampitso!
Jocelyn Bellarmain
3.
Tsy volie ty natorake, tsy sokantanae ty binanabana
lomahorano
4.
Foto-kazo sy vorona ka izay tia manatona
OZ16
5.
Aza manao fihavana-molotra:tezitra vao mifanatona.
sylvianna
6.
Ny fihavanana tahaka ny volonkotona : hatonina, manalavitra ; halavirina, manatona
yveratsimb
7.
Rano natondraka eny an-damosin'ny gana.
soanja
8.
Adala mandeha miantsena ka ny siramamin-jaza natoraka alika
kiriah
9.
Nato ny teny ka mamerna indroa manana ny antitra.
soanja
10.
Fiadanana tsy natolotra fa nokarohina, very hasina raha tsy nanajàna havana.
aivetinakely
11.
Vazo natolotra alina, mizàka ny vokatry ny anjara.
aivetinakely
12.
Sondrian-kira tahaka ny sahona ka tsy mahatsikaritra ny fahavalo manatona.
aivetinakely
13.
Natao sanga ka nanatona, natao tandroka ka nanoto
niryna
14.
Bibilava fahaenina mitera-pahafito ka manatombo refy noho ny reniny
soaharytoliary
15.
Tezera-manatona tahaka ny vady aman-janaka.
aivetinakely
16.
Aza atao fihavana-molotra ka tezitra vao mifanatona.
aivetinakely
17.
Tezera-manatona tahaka ny vady aman-janaka
aivetinakely
18.
Manao fihavana-molotra, tezitra vao mifanatona
jlambout
19.
Aza mitondra hodi-nato miantsinanana
latina
20.
Vato natora-mamba: ny notorahana tsy nipoitra, ny naotraka tsy niseho
latina
21.
Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona: hatonina, manalavitra, halavirina, manatona
latina
22.
Aza mba mitonatonana toy ny vinato tsy mahare fosa.
Swin
23.
Aiza no dia ho anao avokoa ny valala manatody sy ny fandria-maraina.
mandrindra
24.
Nitady tombony ka natombony
JMR
25.
ny honohono mahakila ny natono sy mampandroatra ronono.
jentilisa
26.
Lolo manatona afo, mitolo-tena ho may
JMR
27.
Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona : hatonina, manalavitra; halavirina, manatona
hery
28.
Fatra-pila tombony ka natombony
jentilisa
29.
mitonatonana toy ny vinanto tsy mahare fosa
jentilisa
30.
Hazo sy vorona, izay manina no manatona
jentilisa
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0838