Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Safo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Safo
Hampiditra ohabolana
1.
Lahy antitra misafosafo ny rahany...ka mitsetsetra ,mitanisa mahatsiaro ny lasa...
sylvoalias
2.
Ataovy toy ny andry ombin'ilaisalama ny havana,ka ny kely voasafosafo;ny lehibe voatehatehaka
FENOSOA2
3.
Ataovy fihavanam-bava sy tanana : ka raha marary ny tanana ,dia mitsoka ny vava; ary raha marary ny vava,dia misafo ny tanana .
yveratsimb
4.
Ataovy toy ny fitiavan'ny tanana sy vava; raha marary ny tanana, mitsoka ny vava ary raha marary ny vava manafosafo ny tanana
road
5.
Fitia te-hanadala sa fitia te-hanandroa? sa fitia safomorona, ny tena fitia tsy mahay miafina
aivetinakely
6.
Safo sioka mampandry adrisa.
soanja
7.
Saro-tiavina toy ny landy ka tiana vao misafotofoto
kiriah
8.
Fosafosa mankarary vinanto, latsalatsa mampahory rafozana.
aivetinakely
9.
Keliloha mitavona menaka ka safotra mbamin'ny handrina.
aivetinakely
10.
Manambady jamba ka ny safosafo no amenoana ny banga
aivetinakely
11.
Boka maimay hanam-bady, ka na ny tanana hanafosafo tsy misy.
aivetinakely
12.
Maimay tahaka ny boka hanam-bady, kanefa na ny tànana hanafosafo tsy misy.
aivetinakely
13.
Ataovy arak'ombin'ilay mora, afara voatoditodika, aloha voasafosafo.
aivetinakely
14.
Ny havana ataovy toy ny andry ombin'ilay mora: ny aloha voasafosafo, ary ny aoriana voatehatehaka.
latina
15.
biko voky no solom-bady manafosafo
rarisoa
16.
Raha maratra ny tanana, mitsotsoka ny vava. Raha marary ny molotra, misafosafo ny tanana. Aza mitoto vary fohy loha. Aza manolo-bato mafana ny zaza. Mahery tsy maody hono tsy ho ela velona. Ataovy fisotro ranon'akoho, izay azo kely no andrandraina.
nanapiso
17.
Tana-kavia sy havanana ka izay tsy maharary manafosafo
doum
18.
Andry ombin-dRalaimora ny lehibe voatambitamby, ny kely voasafosafo
JMR
19.
Ataovy fihavanam-bava sy tanana; koa raha maray ny vava misafo ny tanana ary raha marary ny tanana mitsoka ny vava
mandrindra
20.
Ny havana ataovy toy ny andry ombin'Ilaimora : ny aloha vaosafosafo ary ny aoriana voatehatehaka
hery
21.
Ataovy fihavanam-bava sy tanana : raha marary ny tanana mitsoka ny vava, raha marary ny vava misafo ny tanana.
lanto
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0859