Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Takatra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Takatra
Hampiditra ohabolana
1.
Ny takatra no nahavita trano ka ny vorondolo no mibohy
hery
2.
Bangon-takatra ka indray mikopaka dia vita
OZ16
3.
Fihavanan-takatra, ka ory miara mitokiky,faly miara mitokaka
yveratsimb
4.
Ao ihany ny takatra nihinana ny valala sy ny vano nitsaingoka ny sahona.
soanja
5.
Fihavanan-takatra ka ory miara-mitokiky, faly miara-mitokaka.
soanja
6.
Takatra mihomehy dangoro, tsy mahita ny ambany laikany.
aivetinakely
7.
Trano takatra ka izay mandrava azy mialoha no boka
niryna
8.
Ny takatra no fisa-doha, matory amorom-parihy, ny vano no lava tenda, maditra olom-pehezina, ny tsintsina no kely fingo, ny isandahy no tsy zaka.
aivetinakely
9.
Fihavanan-takatra, faly miara-mitokàka, malahelo miara-mitokiky
aivetinakely
10.
Fotsifotsy fanahy toa takatra, ka ny tain-kary avy no atao trano.
niryna
11.
Fotsifotsy fanahy toa takatra, ka ny tain-kary avy no atao trano.
latina
12.
Ny takatra no fisa-doha, marary tsy misy mpanondana.
latina
13.
Takatra amorom-parihy tsy matory fa miery fanahy
Malalason
14.
-Antobavy milefa mahalegny;takatra izy nijanogno -Antoboavy mandihy aligny, izy koa tsy dadinao ialao
salim
15.
Baingon'ilay takatra ka indray paoka de vita
doum
16.
Takatra amorom-parihy: tsy matory fa miero-panahy.
jentilisa
17.
Bala very foana toy ny bala natifi-takatra
McFy
18.
ny hevitry ny vitsy manodidina ny fatana fa ny hevitry ny maro mahatakatra ny lanitra
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2376