Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Les proverbes contenant Zaza
Liste des proverbes, contenant
Zaza
Insérer un proverbe
31.
Zaza vonto anatra, manao mbay lalana an-tsena.
aivetinakely
32.
Zaza tia lalao afo ka ny andrana ataony ihany no mahahendry azy.
aivetinakely
33.
zazakely manina ka any an-doha no manetsetra.
aivetinakely
34.
Mpivady tsy mifandefitra, tsy vitan'ny rava harena, fa mbola mampisotry zaza.
aivetinakely
35.
Masoandro mihiratra ny fahazazana, ka tsiaro mandra-maty.
aivetinakely
36.
Henjan-daditra tahaka ny mpitaon-jezika, manadino mampinono zaza.
aivetinakely
37.
Zazavavy navoaka an'entana ka mirehereha manan-kantenaina.
aivetinakely
38.
Hambompo manan-toerana fa ny zaza tsy azo ariana.
aivetinakely
39.
Manalasala tahaka ny ampisafidiana zazavavy kambana.
aivetinakely
40.
Zaza vonton'anatra ka manao mbay làlana an-tsena.
aivetinakely
41.
Rajako mampinono zaza, tsy hoe fandrosoana fa fomban-drazana.
aivetinakely
42.
Lehilahy maka vady zaza kambana ka izay maka aloha no manenina
aivetinakely
43.
Manalasala ny mifidy zaza kalmbana, ny ivelany itovizany ihany fa ny anatiny samy maka ho azy.
aivetinakely
44.
Voa mirindra, voa miandalana, ka izay mahatsangy no zaza
kanto1
45.
Mpandany ny azo toy ny zaza mpandova
kanto1
46.
Toy ny voatavo tsy mifandraka, fa zazabodo
kanto1
47.
Miara-monina amim-pahalainana fahazaza ka mitafy vori-damba rehefa antitra
kanto1
48.
Manaram po fahazaza ka maka kitay fotsy volo
kanto1
49.
Manaram po fahazaza ka misoron afo fotsy volo
kanto1
50.
Toy ny zaza nomena ontsy ka dia nihinana.
ontsy
51.
Ny zaza fanomezana ka izay manana maro no tsy mahatsapa ny hasaro-bidiny.
aivetinakely
52.
Raha tiana aza ny zaza rehefa manaiki-nono akifika ihany
niryna
53.
Ny zaza tiana tsy hotsitsiana ratsan-kazo
niryna
54.
Raha zaza tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba ahita
niryna
55.
Zaza nilaozan-tsakaiza k'a milalao vovoka irery.
ilanto
56.
Mpaka zaza tam-po maniry hanan'anaka, rehefa tena mitady tsy mahazo intsony.
ilanto
57.
Zaro amin'ny lalana izay tokony alehany ny zaza ka na lehibe aza izy tsy hiala aminy
niryna
58.
Zaza teraka alina, hafa ny ao ampony hafa ny ao ampoko.
aivetinakely
59.
Maniraka zaza tsy nateraka ka mahabe vatan'orona.
aivetinakely
60.
Zaza tamà-miondan-tsandry ny anay ka mikohaka raha mionda-mololo.
aivetinakely
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154