Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe alana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
alana
Hampiditra ohabolana
1.
Miandry an`i Razaka tsy hivalana
RIJA08
2.
Mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatateza ny vali-kitsaka
RIJA08
3.
Mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatantesa valin-kitsaka
sylvoalias
4.
Raha ny lalana no tian-ko tody, tsy jerin'ny mpanesy araiky fa jeriny omban'izay entiny.
Maminirinaheryz_
5.
vazivazy ray andalana,miandrovazo laividalana
heriy
6.
Aza velarina eny amorondalana ny fitiavana fa hitsakitsahin'ny mpandalo
njrtkr
7.
Zaza mivalana am-pandriana, mahavoa Ray mahavoa Reny.
seul110
8.
Ny fandikan-dalàna rom-boay , zay masaky homa
ravelobe
9.
Ny vatolahy antampn-kavoana no arahabaina tsy mba mamaly, atao mbay lalana tsy mba mivolana.
aivetinakely
10.
"Zaro@làlana tokony alehany ny zaza,fana antitra aza izydia tsyhiala@'izany" (0habolana 22:6) (Mankàny @Jesosy Kristy)
manirii
11.
Fitia savony, tiana fa avalana rano
yveratsimb
12.
Manetsa vary mahalana, ka ny atao no alaina.
yveratsimb
13.
Lava hadalana ohatra ny valalan' amboa : kely mitsipaka, lehibe mandady
yveratsimb
14.
Ny fahafatesana lalan-kiraisana ihany fa tombon-dalana no an'ny lasa
yveratsimb
15.
Mpamosavy milevina amoron-dalana: ny valin-kitsaka no tsy tanty
yveratsimb
16.
Ny teny toy ny zipon'ny tovovavy, lava mamafa lalana, fohy mampitanjaka ny tompony
yveratsimb
17.
Ny fahadalana no mampianatra ny fahendrena.
niryna
18.
fanahy iniana ny ho hendry , fa ny adalana samy manana
p106
19.
Izay ataonao rehefa tsy misy mpijery no tena ahalalana ny maha hianao anao.
niryna
20.
Mitombo an-dalana hoatra ny dian'andriana.
niryna
21.
izay manoro làlana mahitsy, mamindra aina.
itaramasoandro
22.
Mpamosavy milevina amoron-dalana, matatesa valin-kitsaka
ravomahandry
23.
Ny fahendrena dia azo avy amin'ny fahalalana ary ny fahalalana dia azo avy tamin'ny fahadalana
niryna
24.
Vato navalavalan'ny voay: ny nivalavalanana tsy nipoitra,ny navalavala tsy ny nivoaka
niryna
25.
Vato navalavala voay: gny nivalavalana, tsy niboaka: gny navalavala tsy nivoaka.
soanja
26.
Ny lalana haleha rahateo, ny dia ho any Mahavika.
soanja
27.
Ny loza tsy mitoetra atao mbay lalana , ny fitahiana tsy mitsidika atao mandrosoa.
kiriah
28.
Fambara loza ny goaika tokana eny alohan'ny lalana izorana.
soanja
29.
Zana-tsorohitra amoron-dalana ka tsy nariako, tsy narian-dreniny.
soanja
30.
Faladia naharon'ny lalana.
soanja
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0206