Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe angady
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
angady
Hampiditra ohabolana
1.
Ny angady no tsy mba mamitaka: voky madama dia mifitsika, raha tsy voky izy mipitsika, dia ry zalahy no mibitaka
Azrael666
2.
Vahiny vôky, tsy iharagna angady
OZ16
3.
ny marina toy ny vato am-balam-parihy raha tsy hitan'ny angady lohataona,hitan'ny antsy raha fararano
Nyavorakoto
4.
Vato am-balamparihy: raha tsy hitan' ny antsy raha fahavaratra, hitan' ny angady raha lohataona
yveratsimb
5.
Tsy fidin'ny angady ny hitrandraka ny andrian-tany, fa asesiky ny zara raharaha.
soanja
6.
Akohovavy maneno, ka ny loza ho an'olona lazainy,fa ny angady hitomboka ny lohany tsy fantany.
soanja
7.
Ny angady no asesiky ny zarany, ny ny rano atosiky ny vato, fa ny olombelona entanin'ny fahendreny.
aivetinakely
8.
Kamo mindrana angady ka aza mahita anie aho.
aivetinakely
9.
Sandra lo ro voan'angady.
sylvoalias
10.
mindrana angady lohataona ka maniraka ny tompony hiasa
elyzo
11.
Kamovavy mindrana angady ka aza mahita anie aho
aivetinakely
12.
Mindrana angady lohan-taona, ka maniraka ny tompony hiasa
aivetinakely
13.
Angady tokana;raha tapaka tsy misy hanakambanana azy indray.
niryna
14.
angady tokana: raha tapaka tsy misy hanakambana azy indray
latina
15.
Tsy misy tombo sy hala: fa ny iray vy nahitana, ary ny iray angady nananana
rapala
16.
tsy satrin'ny angady hihosim-potaka fa ao ny tana-manosika;
mbelo
17.
Avy vinanto marani-pangady, avy rafozana vondrak'akoho.
ftma
18.
Manao tahaka ny angady ny zarany miosomenanaka sady mijoro nefa ny lelany mioso-potaka sy miady amin'ny tany. Sady tsy hitery omby no tsy hiazon-janak'omby nefa misodika ny herotrafotsiny.
estine
19.
Ny mitera-dahy mahazo mpanapaka angady, ny mitera-bavy mahazo mpamaky siny
JMR
20.
Aza mitady tany malemy hanorenam-pangady
hery
21.
Mindrana angady fahavaratra, maniraka ny tompony hiasa
JMR
22.
angady ondry sy reniakoho, izay mananda no resy
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0514