Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe diso
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
diso
Hampiditra ohabolana
1.
Ny faniriana lalina no mampanaonao foana fa ny fahadisoam-panantenana no mampiheritreritra.
Lantoandryeric
2.
mandiso fanantenana tahaka ny afrikanina milanja pecto
hash20
3.
Mpianatra samy mahay , ka mifanome formule diso
kabuto
4.
Ny tsipelina diso toy ny akotry am-bari-masaka ka rehefa voatsako mahasosotra ihany.
Nassa
5.
aleo maty amin'ny fahamarinana ,toy izay maty amin'ny fahadisoana.
avoss Jah
6.
Diso Fanantenana hoatran'ny Makorelina bevohoka, vola no notadiavina ka zaza no azo
zogd
7.
"Aza diso mahihitra ka hanjaitra atody sy hitetika parasy"
aivetinakely
8.
mety hanao fahadisoana ny olona fa tsy midika izany fa olon-dratsy izy
vonynive
9.
Aza malahelo diso levenana,fa ny faty mbola ho be
FENOSOA2
10.
Ny hadisoana dia toy ny rivotra : mikasika antsika fa tsy misy endriny
yveratsimb
11.
Tendrombohitra tsy ilaozan' ambiaty, tanàna maro tsy ilaozan' adala, kabary be tsy ilaozan-diso
yveratsimb
12.
- Haingo diso an'Iarivo, havalony hateza
danbal
13.
Haingo diso an'Iarivo, eny Ambatolampy vao mametaka kiraro!
mianjy
14.
Tiatia ny takona , ka diso ny avaratry ny fasana.
soanja
15.
Ondry lahy diso ketsa, ka izay sahy manome lasiventy.
soanja
16.
Ny ondry voatsipi-taolana, fa ny alika voatsipi-bilona, samy ao fa nifandiso.
soanja
17.
Diso fanantenana ohatran'ny makorelina be vohoka, vola no tadiavina ka zaza no ao an-kibo.
kimbol
18.
Aza mba mora azo tahaka ny vehivavy diso fanantenà na.
aivetinakely
19.
Izay diso matahotra lany hery, fa ny matoky tena very namana
aivetinakely
20.
Vidin-dafo tahaka ny zanaky ny mpanana, saingy mora ariana rehefa nandiso fanantenàna.
aivetinakely
21.
Haingo diso an'Iarivo, ka miverena mba ho hita.
aivetinakely
22.
Ny matsilo saina mahafantatra manindry fo satria fantany ny fahadisoany izay nahatonga azy ho tezitra
niryna
23.
Raha mivily amin'ny lalan-diso hianao, tsy ho ela dia hianjera
niryna
24.
Rasa akohon’ny mpianakavy ka ny lehibe manana ny azy, ny tanora tsy very anjara ary ny kilonga tsy diso tandrify.
ontsy
25.
Ny fahadisoana dia anisany lalam-piainana nahavoa indray mandeha ka ho entina mandra-piaina
niryna
26.
Mety ho diso fanantenana raha tsy nahomby saingy voa mafy kosa raha tsy nanao ezaka
niryna
27.
Ny fahadisoana dia zavatra tsy maitsy alohanao amin'ny fiainanao rehetra.
niryna
28.
TEny diso tsy mba kabary.
aivetinakely
29.
Diso hery loatra, ka mamely kopala rafozana
latina
30.
AZA MALAHELO DISO LEVENANA FA MBOLA HO MARO NY MARARY
Paska
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1296